"Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana"
Joany 14:6
Raha milofo sy manomana mandrakariva ny fiainana eto an-tany isika, mikarakara ny ara-batana sy ara-tsaina, dia tsy tokony ho latsa-danja amin'izany ny fanomanantsika ny Fiainana Mandrakizay. Adidintsika koa ny mianatra sy mandalina ny finoantsika mba hahafantsika mitia sy manaraka an'Ilay Lalana, Fahamarinana sy Fiainana dia tsy iza izany fa i Kristy. Adidintsika koa anefa ny mampita ny finoantsika amin'ny taranantsika sy ny manodidina antsika. Manasa anao aza hitsidika ireto takelaka ambany ireto.
"Tsy milamina ny foko mandra-pipetrahany ao Aminao
Md Augustin
Ity tranokala ity dia natao hifampizarana vavaka sy fandalinam-pinoana. Izany indrindra dia mba hifampizarana mba hanampy antsika hanana fifandraisana lalindalina kokoa amin'Andriamanitra ary mba hahatsapantsika bebe kokoa ny fitiavany sy ny fahasoavana be dia be izay tiany homena antsika sy hiasa amintsika ary indrindra mba hiomanantiska ho amin'ny fiainana mandrakizay.
Koa raha misy ny fampianarana tianao ho velabelarina eto na misy fanotaniana dia aza misalasala manoratra. Vangio koa ny pejy Facebook: Katolika Malagasy.