Fanolorantena na fanentanana ho an'ny Mpianakavy

FIAVIANA
Hazon'i Jese

Ny hazon’i Jese dia fomba fanomanana ny Krismasy izay nanomboka efa ela. Izany dia nampiasaina mba hanampy amin'ny fitantarana ny tantaran'ny Baiboly nanomboka tamin'ny fiandohana ka hatramin'ny Tantara Krismasy

Tohiny
811oAaHQPoL
Fanomezana ho an'i Jesoa Zazakely
Ity moa dia manampy ny mpianakavy hahatsiahy ny tena anton'ny Krismasy dia i Kristy. Tsara raha manao daholo na ny ray amandreny na ny ankizy dia miara-miasa hitsena amim-pifaliana an'ilay Mesia. Ny ankizy dia tia ny fanehoana mivaingana ny fahamarinana ara-panahy. Takatr’izany koa ny fanehoana mivantana ireo foto-kevitry ny fahatsarana sy ny fahafoizan-tena ary ny dikan’ny hoe mitia. Ary ny ohatra avy amin'ny ray amndreny dia manamafy izany ihany koa.
Tohiny
Extra_Bundle_of_Straw_1024x1024 copy
Rojon'asa soa
Amin'ny Fiaviana sy ny Karemy dia mifantoka manokana amin'ny fanaovana asa soa sy hatsaram-panahy ho an'ny hafa isika. Mba hanamafisana izany, dia afaka manao ny rojon'asa soa ny mpianakavy. Tsara raha ampirisihina ny ankizy mba hanao izany koa. Ny rojon'asa soa dia rojon-taratasy tsotra izay ka isaky ny manao asa soa ianao dia afaka manampy tapa-taratasy iray ho fanampin'ny rojo.
Tohiny
Copy of Untitled Design (2)
Fanamasinana ny Labozian'ny Fiaviana
Ny Labozian'ny Fiaviana dia voaravaka amin'ny ravina maintso mandava-taona toy ny ravina sapin ka atao boribory. Izany moa dia mariky ny fitohizan'ny fiainana satria ireny ravina ireny dia tsy malazo ary tsy mihitsana rehefa ririnina ny andro fa mbola maintso tsara. Ny labozia efatra dia mariky ny herinandro efatry ny Fiaviana ary manomboka arehitra tsirairay isan'alahady. Ny alahady voalohany dia labozia iray ihany, ny alahady faharoa, labozia roa, dia toy izany hatramin'ny faha-efatra. Ny labozia moa dia miloko voloparasy fa ny herinandro fahatelo ihany no mavokely izay mariky ny fifaliana satria efa manakaiky ny Krismasy.
Tohiny
advent-wreath-kit-with-matte-liturgical-candles-20x6-cm