Matetika isika rehefa mihaino olona manao fijoroana vavolombelona ireny dia maro izy ireny no manana tantara manokana sy mahavariana izay nahatonga azy ireo niverina tamin'Andriamanitra na lasa nino an'Andriamanitra. Ny ankamaroantsika anefa dia tsy dia nanana izany traikefa izany fa teraka sy lehibe tao anatin'ny finoana Katolika. Tsy misy maharatsy azy izany fa na ahoana na ahoana no nahatonga anao ho lasa Kristianina Katolika dia ny zava-dehibe dia ny firosoana hatrany isan'andro sy ny faharetana ao amin'ny finoana.
Amin'ny maha-kristianina dia tokony ho hita taratra amin'ny fomba fiainana sy ny lafim-piainantsika rehetra ny fanarahantsika an'i Kristy. Ny dikan'ny hoe kristianina moa dia hoe mpanara-dia an'i Kristy. Noho izany, ny fihetsintsika, ny fomba fitenintsika, ny fomba fitafintsika dia tokony hahitana taratra izany. Aleo aloha marihina ety am-piandohana fa tsy olona tonga lafatra akory ny kristianina fa entanim-pitiavana ka manao izay irian'ilay Nahary azy sy nanolotra ny Ainy mba ho fanavotana azy.
Tantara kely iray nataona Mompera iray tamin'ny toriteniny, izay tena nipaka tanatiko izay, no entiko hanazavana ity loha-hevitra ity.
Nisy mpianatra roa izay natao fampitahana. Izy roa ireo dia samy mahay ary samy tena manana vokatra tsara ao am-pianarana ary samy tena mavitraka mandeha mianatra.
Ny ankizy voalohany dia mihezaka mafy mihitsy manaraka ny lalàna mifehy ao am-pianarana ka tena tonga aloha foana izy, mahavita enti-mody tsara foana, mandray anjara tsara amin'ny zavatra rehetra ao am-pianarana sns ... Izany moa no nataony dia mba tsy ho bedy izy ary mba hahazoany naoty tsara.
Ny ankizy faharoa dia tena tia mianatra be. Noho izy tena tia mianatra izay dia tonga aloha foana izy, mahavita enti-mody foana koa, mandray anjara tsara ihany koa ao am-pianarana ary noho izany dia tsy mba bedy izy ary tsara foana ny naotiny.
Azontsika an-tsaina angamba ny tiako hahatongavana eto. Manana anjara tokoa isika Katolika sy mankan-karena Sakramenta, fanoloran-tena sy fihetsika sy vavaka maro izay afaka manampy antsika ho amin'ny Fahamasina. Ireny zavatra ireny dia manampy fa raha lasa mifantoka be amin'ny fanarahana ireny sy ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny fiangonana fotsiny ny fiainantsika dia ho very maina ary mety hitondra amin'ny fahaverezana aza. Raha manao izany fotsiny ihany isika mba hahazaohana ny Lanitra na tsy handehanana any amin'ny Afobe dia mety tara-sambo isika.
Ireny dia tokony hanampy antsika fa ny tena tokony hifantohantsika dia i Jesoa Kristy izay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy ilay hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Rehefa Izy no fototr'ireny fanoloran-tena ataontsika ireny dia hanampy antsika tokoa izany hamitantsika ny hazakazaka eto. Ary tena mandrisika mihitsy aza aho hoe ataovy tsara izy ireny fa tena mampitombo ny herim-panahintsika.
Aoka ilay fitiavantsika an'i Jesoa Kristy no tena hery hitondrantsika ny fiainantsika ary amin'izay fotoana izay ny fandraisana anjara amin'ny Sakramenta, fanoloran-tena sy fihetsika sy vavaka maro samihafa dia hanampy antsika hahatonga an'i Kristy ho fototry ny fiainantsika sy hanampy antsika amin'ny ady sy tolona mandra-pialantsika eto.
Ny fananantsika fifandraisana manokana Aminy no hahatonga antsika ho fantany rahatrizay manoloana Azy isika. Noho izany dia hihezaho ny hahala Azy, hitia Azy ary Hanompo Azy araka ny naharian'ny Ray antsika. Koa raiso ny finoanao ho anao tokoa ka katsaho ilay hinonaa, tiavo amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra Izy.
