Indraindray moa amin'ny fiainana dia moramora kokoa ny manao fangalam-piery amin'Andriamanitra satria mety mbola tsy vonona ny hiova, na tsy dia misy fotoana fa mbola sahirana mitady, na reraka ny asa aman-draharaha sy ny adidy etsy sy eroa, ... Zava-pitranga izany ary tsy hifanomezan-tsiny satria izay no fiainana an-tany, tsy maintsy miasa vao mihinana, tsy maintsy mahandro sakafo, mampirin-trano, manasa lamba, mitaiza zaza, manasa vilia, miantsena, maka sy manatitra ny ankizy etsy sy eroa, mandoa ny hofa-trano sy kojakoja isan-karazany; etsy an-daniny koa ny havizanana sy ny aretina kely samihafa, ...
Amin'ity fangalam-pierim-piainantsika ity anefa dia i Jesoa Tompontsika no boka ary ny indro kely dia na miafina ao ambadik'ireo aza isika dia mbola hitany foana. Ny vaovao mahafaly anefa dia izao, Izy mahita antsika io dia te-hanampy antsika Izy. Mitady antsika Izy sady miantso antsika hoe "inty Aho raiso fa hanampy anao". Izay rehetra eritreretintsika ho enta-mavesatra dia afaka ampiasaintsika daholo ireny mba hifanenantsika amin'i Kristy. Raha hoe ny fandraisana an'i Kristy eo amin'ny fiainantsika no hampiova ny fiainantsika ka hahatonga antsika hisantatra ety an-tany sahady izany atao hoe Fanjakan'Andriamanitra izany dia mety ho velom-panontaniana isika hoe aiza aza no mety hahitako an'i Kristy izany? Ny valiny dia tsotra be, tsy mila mitady Azy isika fa efa Izy no mitady antsika, efa miandry fotsiny Izy fa isika no mila manokatra ny fontsika handray Azy.
Ohatra fotsiny, raha mahandro sakafo ho an'ny vadinao sy ny zanakao sy ny mpiray ankohonana anao ianao, dia efa mahita an'i Kristy. Raha mampirin-trano ianao ka milamina tsara ka falifaly ny fonao sy izay miditra ao an-tokatranao dia efa mahita an'i Kristy ianao. Raha misy marary ny fianakavianao ka manampy azy sy mivavaka ho azy ianao, dia efa mahita an'i Kristy ianao. Raha mitaiza zanakao ianao ka mampianatra azy ny lalana marina, dia efa mahita an'i Kristy ianao. Ahoana hoy ianao izany?
Ataovy mba ho voninahitry ny anaran'Andriamanitra izay rehetra atao. Manomboka ety an-tany ny paradisa raha ohatra ka mandray an'i Kristy ianao ka avelanao hitia anao sy hiasa ao anatinao Izy. Ho zava-poana ny hezaka rehetra atao raha tsy manana "Fifandraisana akaiky sy manokana amin'i Kristy" ianao; eo koa ny hoe mila "manokatra ny fontsika" isika handray ny fitiavan'Andriamanitra sy handray ny fahasoavana avy Aminy.
Ny tiany ambara eto dia indraindray isika mila fanazavana sy anton-javatra foana vao mino, raha toa ka mandray ny fanomezam-pahasoavana toy ny zaza isika dia andramo fa ho hitanao ny hahalebean'ny fitiavan'Andriamanitra anao. Vavaka fohy fotsiny izay azontsika atao miverimberina mandritra ny andro mba hanampy antsika: "Ry Jesoa Tomponay o, sokafo ny foko mba handraisako ny fitiavanao ahy anio. Amen"
"Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana"
1 Mangala fotoana amin'ity herinandro ity handinika hoe inona amin'ny fiainanantsika no manakana antsika tsy hanantona bebe kokoa an'Andriamanitra ka tsy mahatonga Azy ho tena fototry ny fiainantsika.
2 Jereo raha misy zavatra tokony ataonao na ialanao ka mandraisana fanapahan-kevitra hanova izany. Sorato amin'ny taratasy ireo tokony ho ataonao mba hahafahana manao na miala amin'izany.
3 Mivavaha amin'ny Fanahy Masina mba hanampy anao amin'izany hezaka izany.
