Ny fibebahana resahina eto dia dikateny azo avy amin'ny teny grika hoe "Metanoia". Io teny grika io moa dia sarotra ny mandika azy amin'ny teny tokona satria mifono dika lalina izy io fa tsy voafetra ny hoe fiekena heloka sy fifonana fotsiny. Ny "Metanoia" dia midika: fiovam-po, fiovam-panahy, ary fiovan'ny toe-tsaina ihany koa. Io "Metanoia" io no anisan’ny zava-dehibe amin’ny fiainan’ny kristianina. Hitantsika ao anaty Baiboly fa ny fiovanan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa dia niatomboka hatrany tamin’ny fifankahitan’izy ireo tamin’ny i Jesoa sy ny finoan’izy ireo ary ny faneken’izy ireo hanaraka Azy.
Rehefa nanapa-kevitra ny hanokatra ny fontsika handray an’i Jesoa Mpamonjy ary isika dia inona ary no tokony ataontsika hihomanana ho amin’izany?
Ny ohatra tsara indrindra izay azontsika tahafina dia tsy iza fa i Masina Maria renin’i Jesoa. Izy ilay Reny izay natolony ho antsika teo an-tongotry ny hazofijaliany. Moa ve isika manantona an’ilay Mpamonjy antsika toy ny nandraisan’i Masina Maria Azy? Tamim-panetretena, fahanginana, ary fankatoavana tanteraka amin’ny fo vonona ny hanatanteraka izay rehetra sitraky ny Ray?
Raha nanaiky ny Anjely Gabriela izy dia tsy nahafantatra velively izay niandry azy fa dia natoky tanteraka an’Andriamanitra izy ka nanaiky tamim-panetretena. Mba handraisantsika an’i Jesoa Tompontsika ao am-pontsika dia mila manetry ny tenantsika isika mba hahafahany mitoetra bebe kokoa ao anatintsika. Izany dia azontika atao amin’ny alalan’ny fanalana ireo sakatsakana tsy mamela antsika handray tanteraka Azy.
Inona ary no zavatra mety manakana antsika tsy hitia tanteraka an’Andriamanitra ka hanarahantsika Azy mba hahazoantsika tanteraka ny fahasoavany? Mba hanampy antsika amin'izany dia misy fanazarana ery ambany ery azontsika hatao.
Vavaka: Ry Tompo Andriamanitra be famindram-po o! Mba tolory ny fahasoavan’ny fiovam-po sy fanahy anie izahay mba hahafahanay manetry ny tenanay sy mba hahafahan’i Jesoa zanakao mba hitoetra bebe kokoa ato anatinay. Ho anao anie ry Tompo ny dera sy ny voninahitra mandrakizay. Amen.
Tsara atao amin'ny atoandro na alina
1 Fahatsiarovana fa Andriamanitra dia eo anivontsika: Afaka mangina segondra vitsivitsy ianao ary mangataha amin’Andriamanitra mba ho eo anivonao ary hanokatra ny fonao handray Azy.
2 Manomeza fisaorana an’Andriamanitra tamin’izay fahasoavana azonao androany: Eritrereto izay fahasoavana azonao tamin’iny andro iny. Jereo ihany koa iza zavatra azonao sy nomenao ireo manodidina anao.
3 Fandinihina ny andro iray manontolo: Manaova jery todika ny andronao ary dinihio izay nataonao sy ny zavatra nitranga. Dinihio isan’ora hatramin’ny nifohazanao izay nataonao ary jereo izay zavatra nitranga tao anatinao tao. Jereo ny fomba nandarisanao ny zavatra nitranga sy ny olona nifanerasera taminao. Manontania ny tenanao hoe inona no nitranga ary inona no fomba nandraisanao izany.
4 Mangataha fifonana: Jereo ireo fotoana izay nanaovanao zavatra tsy nifanaraka tamin'ny sitra-pon'Andriamanitra. Jereo koa ireo fahalemenao sy ireo zavatra mahatonga anao ho latsaka ao amin'izany fahalemenao izany.
5 Mangataha fahasoavana ny hanao tsaratsara kokoa ny ampitso: Rehefa avy nijery ny andronao ianao dia jereo amim-panetretena izay zavatra tsy tokony ho averinao, ny zavatra tsara tokony ho tohizana, ny zavatra ratsy tsara ialana, ary ny zavatra tsara tokony ho atao. Rehefa vita izany dia manaova vavaka toram-po manome fisaorana ny fahasoavana azonao, midera ny Tompo fa tsy mitsahatra ny miahy anao Izy, mangataha famelan-keloka amin’ireo otanao sy fahalemenao, ary mangataha ny fahasoavany mba hanao zavatra tsara kokoa ny ampitso sy hihezaka ny hiala amin’ny ota sy ny fahalemena.
