Fandinihan-tena isan'andro
Afaka mangina segondra vitsivitsy ianao ary mangataha ny Fanahy Masina mba hanampy anao amin'izao fandinihan-tena izao.
2. Manomeza fisaorana an’Andriamanitra tamin’izay fahasoavana azonao androany:
Eritrereto izay fahasoavana azonao tamin’iny andro iny. Jereo ihany koa iza zavatra azonao sy nomenao ireo manodidina anao.
3. Fandinihina ny andro iray manontolo:
Manaova jery todika ny andronao ary dinihio izay nataonao sy ny zavatra nitranga. Dinihio isan’ora hatramin’ny nifohazanao izay nataonao ary jereo izay zavatra nitranga tao anatinao tao. Jereo ny fomba nandarisanao ny zavatra nitranga sy ny olona nifanerasera taminao. Manontania ny tenanao hoe inona no nitranga ary inona no fomba nandraisanao izany.
Raha misy toetra ratsy, fahazaran-dratsy na fahotana manokana tianao ialàna mandritra ny Karemy dia manokàna fotoana fohy handinihanao hoe nisy fankam-panahy momba ireo ve nihatrehanao anio? Vitanao ve ny nandà izany sa tsia? Raha eny, inona no herim-panahy na toe-javatra nanampy anao tamin'izany? Raha tsia, inona no mety fahalemem-panahy na trangan-javatra nanampy trotraka tsy nahavitanao azy?
Jereo ireo fotoana izay nanaovanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitra-pon'Andriamanitra. Jereo koa ireo fahalemenao sy ireo zavatra mahatonga anao ho latsaka ao amin'izany fahalemenao izany.
5. Mangataha fahasoavana ny hanao tsaratsara kokoa ny ampitso:
Rehefa avy nijery ny andronao ianao dia jereo amim-panetretena izay zavatra tsy tokony ho averinao, ny zavatra tsara tokony ho tohizanao, ny zavatra ratsy tokony ialanao, ary ny zavatra tsara tokony ho ataonao. Rehefa vita izany dia manaova vavaka toram-po manome fisaorana an'Andriamanitra ny fahasoavana azonao, miderà ny Tompo fa tsy mitsahatra ny miahy anao Izy, mangataha fifonana amin’ireo otanao sy fahalemenao, ary mangataha ny fahasoavany mba hanao zavatra tsara kokoa ny ampitso sy hihezaka ny hiala amin’ny ota sy ny fahalemena.