SAPILEN'NY FIJALIANA FITON'I MASINA MARIA

Tamin’ny andron'ny "Moyen Âge" tany ny fanoloran-tena na "dévotion" ny Sapilen'ny Fijaliana Fiton'i Masina Maria no be mpanaraka fa nahazo laza vaovao indray taorian’ny nisehoan’i Masina Maria, izay nankatoavin’ny Fiangonana, tany Kibeho, Rwanda nandritra ny taona vitsivitsy tamin’ny 1980. Tamin’ny fisehoan'i Masina Maria tao Kibeho dia nanoro hevitra ny olona hivavaka amin’ny Sapilen’ny Fijaliana Fito izy mba hahazoana sitraka amin’ny fibebahana. I Mompera Leszek Czelusniak, MIC, izay niandraikitra ny iraka Mariana tany Rwanda, dia nanadinady an'i Nathalie, ny vizionera tao Kibeho, ary nangataka azy hamintina ny hafatr'i Maria. Toy izao ny valintenin'i Nathalie:

Copy of Copy of Copy of Untitled Design

"Ny Virjiny Masina dia nanizingizina fa ilaina ny mivavaka, hoy izy, fa ratsy izao tontolo izao. Ilaina ny mivavaka, mivavaka, mivavaka bebe kokoa ho an'ity tontolo ratsy ity, mivavaka ho an'ny mpanota, ary mivavaka ho an'ny fiovam-pon'izy ireo. Nanantitrantitra mafy ny amin’ny ilana ny fiovam-po izy: "Miovà fo ho amin’Andriamanitra." Nilaza izy fa tsy manaja ny didin’Andriamanitra intsony ny olona ary lasa manamafy fo amin'Andriamanitra, ​​dia nangataka antsika izy mba hisaintsaina ny zava-miafin'ny Raozery sy ny hanao ny vavaky ny Raozery isan’andro. Nampianatra koa izy mba hivavaka ny Raozerin’ny Fijaliana Fito isaky ny Talata sy Zoma. Nangataka koa izy ny hankatoavana ny Fiangonana, ny itiavana an'Andriamanitra amin'ny fo sy amim-pamarinana tokoa ary hitia ny mpiara-monina amintsika amin’ny fanetren-tena sy ny fahatsoram-po tokoa. Nangataka koa izy ny hanaovana asa fivalozana sy fahafoizan-tena ary fandraisana am-pitiavana ny fijaliana. Nilaza koa izy ny hanaovana asa fiantrana ho an'ny mahantra mba hahatonga antsika ho voninkazo mahafinaritra izay tian'Andriamanitra. Naniry izy hanorina Chapelle teo Kibeho, mba hahatsiarovana ny fitsidihany sy hivavahan'ny mpitsidika ny toerana. Niteny izany taminay tamin'ny teny Kinyarwanda [ny fiteny Rwanda] tamin'ny feony malefaka i Masina Maria."

Ny Sapilen'ny Fijaliana Fiton'i Masina Maria dia mampahatsiahy antsika fa manana anjara toerana lehibe amin’ny Fanavotana antsika i Maria ary niara-nijaly tamin’i Jesoa Zanany izy mba hamonjena antsika. Sapile miavaka izay misy toko fito im-pito avy no hanaovana izany.

Vavakin'ny Fijaliana Fiton'i Masina Maria

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.

Andriamanitra ô, vonjeo aho.

Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, tahaka ny taloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Fijaliana voalohany: Ny faminanian'i Semeona

"34 Ary nitso-drano azy ireo Simeona, ka nilaza tamin'i Maria renin'ny Zaza hoe: Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin'Israely ary ho famantarana hotoerina, 35 -ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra - mba hiseho ny hevitry ny fo maro. 36 Ary nisy koa mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanak'i Fanoela fokon'i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian'ny nahavirjiny azy," Lioka 2:34-36

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

2011884-1_2000_2024-08-22T15_56_58Z__44131

Fijaliana faharoa: Ny fitsoahana ho any Egypta

"13 Nony lasa izy ireo, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. 14 Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta." Matio 2:13-14

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Fijaliana fahatelo: Ny nahaverezan'i Jesoa

"43 ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema Jesoa zazakely, nefa tsy fantatry ny rainy aman-dreniny izany. 44 nataon'izy ireo ho niaraka tamin'ny niray dia taminy izy, ka nandeha làlana indray andro vao nitady azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany; 45 ary nony tsy nahita azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady azy." Lioka 2:43-45

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Fijaliana faha-efatra: Ny nifanenan'i Maria tamin'i Jesoa teny an-dalan'i Kalivery

"27 Nisy vahoaka betsaka nanaraka azy sy vehivavy koa, izay nandon-tratra nitomany azy. 28 Fa nitodika azy ireo Jesoa ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio, 29 fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana." Lioka 23:27-29

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Fijaliana faha-dimy: I Maria mijoro eo an-togotry ny Hazofijaliana

"25 Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena. 26 Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. 27 Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy." Joany 19:25-27

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Fijaliana faha-enina: I Jesoa nalana teo amin'ny Hazofijaliana

"32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; 33 fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. 34 Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay." Joany 19:32-34

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Fijaliana faha-fito: I Jesoa nalevina

"41 Nisy saha anankiray kosa tao amin'ilay toerana namantsihana an'i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin'ilay saha. 42 Ka noho ny maha-andro fiomanan'ny Jody tamin'izay dia tao no nandevenany an'i Jesoa, satria akaiky ny fasana." Joany 19:41-42

"Rainay any an-danitra ..."  ary "Arahaba ry Maria, ..." im-pito

Ry Reny be indrafo, ampatsiahivo anay mandrakariva ny fijalian'i Jesoa Zanakao.

Famaranana

Ry Mpanjakavavin'ny Maritiora, nijaly mafy ny fonao. Miangavy anao aho, noho ny fangirifirianao sy ny ranomasonao noho ireo fijaliana tena mafy niainanao, mba hangataho ho ahy sy ny mpanota rehetra eran-tany ny fahasoavan'ny fivalozana feno sy tanteraka. Amena.

Ry Maria, nohariana tsy nisy ota sy nijaly ho anay, mivavaha ho anay. (in-telo) 

Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.