Vavaka isanandro
Fanolorana ny andro 1
Andriamanitra, atolotro Anao ny hevitro, ny teniko, ny asako, ny hafaliako sy ny fijaliako rehetra. Dia atambatro amin'ny fijalian'i Jesoa Kristy izany ho fanalana ny fahotako. Sakano aho anio tsy hanao ratsy, ary ataovy izay tianao amin'ny tenako sy ny zavatro rehetra. Tahio aho hanaraka ny sitraponao masina amin'ny fo mazoto. Amena.
Fanolorana ny andro 2
Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, atolotro Anao ao am-pon'i Jesoa Zanakao, miaraka amin'ny an'ny olombelona rehetra, entanin'ny Fanahy Masina, omban'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny Fiangonana: ny fivavahako, ny asako, ny hafaliako sy ny fijaliako rehetra anio; ho fanonerana ny fahotako sy ho fangatahana ny zavatra rehetra; anoloran'i Jesoa ny tenany eo ambony Vatomasina, ary ny hanolorako azy indrindra amin'ity volana ity, dia mba ..... (+ Vavaka fangatahana mandritry ny volana). Amena.
Vavaka alohan'ny sakafo
Andriamanitra ô, tosy rano izahay sy hanina hohaninay. Amena.
Vavaka aorianan'ny sakafo
Andriamanitra ô, misaotra anao izahay tamin'ny hanina sy ny zava-tsoa be nomenao anay. Enga anie izany hampiasainay amin'ny voninahitrao ary koa hanasoavanay ny hafa. Amena.