Angelus

Ny Anjelisy


Ny anjelin'Andriamanitra nilaza tamin'i Maria

Ary i Maria nanana anaka tamin'ny Fanahy Masina

Arahaba ry Maria...

 

Inty aho ankizivavin'ny Tompo

Aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao

Arahaba ry Maria...

 

Ary ny teny tonga nofo

Ary izy niara-nonina tamintsika

Arahaba ry Maria...

Mivavaha ho anay ry Reny Masin'Andriamanitra.

Mba ho tonga mendrika ahazo ny nampanantenain'i Jesoa Kristy izahay.

AOKA ISIKA HIVAVAKA

Mihanta Aminao izahay ry Tompo

Ahidino ao am-ponay ny fahasoavanao

fa efa nandre tamin'ny Anjely ny nahatongavan'ny Jesoa Krsity ho nofo izahay

ary ny nojaliany sy ny nahafatesany teo ambony hazofijaliana

dia mba ahazoanay ny voninahitra nananany

tamin'Izy nitsangan-ko velona tamin'ny maty.

Amen.