Tsaroaka ilay hira hoe "Mifalia ary mihobia mafy, fa efa tonga ny Mpanavotra." Dia tena hifaly sy hihoby mafy tokoa anie isika. Rehefa tonga ny Krismasy dia rehefa hiventy ny hira isika dia venteso mafy ary atolory an'i Jesoa zazakely izay tonga tety an-tany tao anatin'ny fahantrana sy fijaliana mba hanavotra antsika izany.
Isa-maraina mandra-pahatonga ny Krismasy isika dia afaka maka fotoana kely mba hamelona ilay afom-pifaliana ao anantintsika ao. Tsy afaka ny hamaritra izay hitranga amin'ny andronao ianao fa raha hatombokao amim-pifaliana izany dia ho maivana izay mavesatra ary hitombo avo zato eny izay tsara sy mahasoa. "" Lioka 1: 46-47
AMIN'ITY HERINANDRO ITY
1 Salamo 64 "Andriamanitra รด, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitaranaiko aho, arovy amin'ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko." Atolory ny Tompo izay rehetra manavesatra sy manahirana anao.
2 Salamo 46 "Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra aho." Hoy Andriamanitra mamaly anao hoe aza mihetsika sy taitra fa Izy Andriamanitra mahery hiady ho anao. Ny andro ratsy hivadika ho tsara.
3 Salamo 23 "Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho." Zarao aminy ny enta-mavesatrao ary matokia Azy.
Mba hitondra Fifaliana sy Fiadanana ho antsika rehetra anie ity Noely ity.
