Notre Dame de Guadalupe
Nisy lehilahy Meksikana, 57 taona, iray nandeha nanatrika Lamesa tamin’ny 9 Desambra 1531 vao mangiran-dratsy. Tantsaha mpamboly izy ary tsy nahita fianarana. I Juan Diego no anarany. Teraka tamin'ny andron'ny fitondran'ny Azteky izy, ary lasa Katolika fony ny nahatongavan'ny espaniola tany, ary ny dingana tsirairay ataony androany maraina niakatra ny tendrombohitry i Tepeyaka dia dingana hanamarika ny tantara.

Ny fahanginana tamin'iny maraina iny dia tapaky ny mozika hafakely izay toy ny feom-borona mahafinaritra. Namily ny lalany hanadihady ilay feo i Juan Diego dia nifanatrika tamin'ny fisehoana mamirapiratr'i Masina Maria Virjiny.

Teo amin’ny vohitr'i Tepeyaka, toerana nisy ny Tempolin’i Azteky, no nahitan'i Juan Diego an'i Masina Maria. Maty ny vadiny roa taona talohan’izay, ary niara-mipetraka tamin’ny dadatoany efa antitra izy, ary sahirana izy ireo amin’ny maha mpamboly tantsaha mahantra azy. Nahoana no ity lehilahy tsy nianatra ity no nofidian’ny Andriamanitsika hitondra hafatra ho an’ny Eveka? Angamba satria tsy hahita olona manetry tena toa an'i Juan Diego izy.

Zendana sy vahaka tamin'ny hatsarana sy fahagagan'ny fisehoan'i Masina Maria izy. Naka hendrika zanaka vavim-panjaka Azteky izy ary ny feony dia mamy noho ny mozika farak'izay tsara.

Nihezaka nampitony an'i Juan Diego i Masina Maria ary naniraka azy handeha ho any amin'i Eveka Juan Zumarraga izy ka hangataka azy hanangana fiangonana teo amin'ny toerana nisehoany mba hahafahany mihaino ny vavaky ny meksikanina sy ny fitarainy ary hahafahany mamaly vavaka azy ireo sy hanome fanasitranana amin'ny fahoriana manjo azy ireo. Nomeny iraka i Juan Diego hoe: "Mandehana ianao ka hihezaho tsara ny hampita izany hafatra izany."

guadalupe_juan_diego

Hita tokoa moa fa mbola vao taitra sy tsy tonga saina izy noho ny zava-nitranga nefa dia nandeha ihany izy nanantanteraka ny iraka ka nihaona tamin'ny Eveka. Ny Eveka koa moa sadaikitra amin'ity tantsaha izay mitondra hafatra hafakely. Nanontany tena izy hoe inona no tadiavin'ity tantsaha tsy nahita fianarana ity amin'izao? te-halaza ve? sa te-hahazo vola? sa voarebirebin'ny devoly? Nihainao izay tian'i Juan Diego lazaina ihany aloha izy nefa nasainy nody fotsiny.

Niverina tany amin'i Masina Maria i Juan ka nitantara azy ny zava-nitranga. Efa fantatr'i Masina Maria moa izany ary nolazain'i Juan mba hiverina indray ny ampitso maraina hanamafy ny hafatra izay efa nolazainy dia nankatoa izy.

Sadaikatra indray ny Eveka hoe maninona aza no mikiry be toy izao ity tantsaha ity. Noho izany dia nasainy niverina ny ampitso maraina ary nasainy nangataka famantarana avy amin'i Masina Maria. Nanaiky moa i Juan.

Raha nandeha nody anefa izy dia narary mafy ny dadatoany izay 68 taona. Aretina efa fantatry ny olona tamin'izany io izay misy hafanana be ary mety mahafaty. Nijanona roa andro tao i Juan Diego satria tsy maintsy nikarakara ny dadatoany. Tsy afaka nitazona ny fampanantenana nataony tamin'ilay Eveka izy noho izany. Raha vao mainka narary be ilay dadatoany dia fantany fa efa akaiky ho faty ka lasa izy nihazakazaka handeha hitady Mompera. Teny an-dalana dia niseho azy fanintelony indray i Masina Maria. Sady natahotra izy no maika ary nitantara tamin'i Masina Maria ny zava-misy. Namaly azy i Masina Maria hoe: "Moa va tsy reninao aho? Moa va tsy ao anatin'ny fehezan'ny tanako ianao?"

Somary menatra izy nefa koa nahatsiaro ny fiarovan'i Masina Maria dia nanontany izy raha mba misy famatarana afaka omena azy mba ho aseho an'ilay Eveka. Nasain'i Masina Maria niakatra ny tendrombohitr'i Tepeyaka izy haka voninkazo any. Somary sadaikatra indray i Juan satria tsy misy voninakazo maniry amin'iny vaninan'andro iny tany nefa gaga izy nahita ireto raozy maro loka sady tsara tarehy rehefa tonga tao. Nangoniny ireo ka nataony tanatin'ny tilmany (Lamba fitafy vita amin'ny taretra fitafin'ny Meksikana).

Niverina tao amin'ny Eveka indray izy fanintelony ary ireto mpiasa mpandray olona dia efa nihahotra ny handray azy satria efa niandry azy roa andro tsy tonga ihany hitondra ilay famatarana. Nampidirin'ireo ihany anefa izy ka vantany vao nahita ny Eveka i Juan Diego dia navotsiny ny tilma ka niraraka teo ny raozy maro loko sy tsara tarehy. Talanjona ilay Eveka sy ireo mpandraraha tao satria nisy sarin'i Masina Maria koa ny tilman'i Juan Diego.

our-lady
Our-Lady-of-Guadalupe-Image-Print copy
Ity sarin'i Masina Maria ity moa dia tena mahavariana sy mahagaga tokoa satria efa maro ireo manampahaiza izay nandalina ny antsipirihan'ny sary izay hita teo amin'ilay tilma. Toy izao ny vitsivitsy amin'ireo zava-mahagaga hitan'izy ireo:

1- Ilay tilma dia vita tamin'ny taretra. Izy io dia tokony haharitra eo amin'ny 15-30 taona eo ihany dia tokony ho simba tanteraka nefa dia efa ho 500 taona izay fa mbola tsy misy taratra fahasimbana mihitsy ilay izy na ny kely aza. Maherin'ny 100 taona izy io dia tsy nisy fiarovana fa nokasikasian'ny olona sy niharitra ny vovoka sy setroky ny labozia sns nefa tena tsy nihetsika.

2- Efa nisy nanapoaka tamin'ny baomba ny toerana nisy azy tamin'ny 14 novambra, 1921 fa dia niala maina. Nisy nandraraka asidra ihany koa fa tsy simba ilay izy.

3- Miloko mahafinaritra ilay izy nefa tsy misy marika borosy fandokoana ary izay rehetra miloko eto anoloana dia miloko avy ao ambadika ihany koa. Ny tenon'ilay lamba koa dia mamoaka ny antsipirihan'ilay sary tsara izay tsy azo heverina hoe vitan'ny asa-tanan'ny olona.

4- Ny masony dia ahitana ny sarin'ilay Eveka sy ny olona niaraka taminy teo ary mitovy ilay sary amin'ny voamaso anakiroa.

5- Ny lokon'ny tavany dia toy ny metisy izay mampiray ny Aziteky sy ireo espaniola nananjanaka tany. Ny tanany koa dia mikambana toy ny mivavaka ary ny iray miloka somary fotsy kokoa noho ny anakiray izay somary volontany, izay manamarika ny fiaviana anankiroa.

6- Ilay vonan-damba dia manamarika fa virjiny izy ary ilay toerany eo ambonin'ny kibony manamarika fa bevohoka izy.

7- Ny sarim-bonikazo amin'ny akanjony dia sarin-tsoratra ireo Aziteky izay mifono hafatra ho azy ireo.

8- Ireo kintana amin'ilay lamba salorana dia mitovy amin'ny "constellations" izay tokony hita teny an-danitra tamin'io andro 12 Desambra 1531 io tany Mekisika.