Nahoana no mila mivavaka ny Raozery?

Maro amintsika Katolika no manana sapile. Matetika isika no mividy azy ireny ho fahatsiarovana, na fanomezana, na miambozina azy ireny aza — saingy indraindray hadinontsika ny hery lehibe ananany rehefa tena mivavaka amin'ny fo manao ny Raozery isika. Raha tena tsapantsika tokoa mantsy ny lanjan'ny fanoloran-tena amin'ny Raozery dia mety hamaha ny olana sy ny tolona maro eo amin'ny fiainantsika sy ny an'izao tontolo izao ny Raozery.

Amin'izao fotoana izao dia mihamanjaka ny fanasarahana ny finoana amin'ny fiainana andavandro eny amin'ny sehatry ny fiarahamonina rehetra eny ary efa maro mihitsy aza ny kolontsaina izay mandà izany finoana izany mihitsy. Noho izany dia hitantsika fa miparitaka erak'izao tontolo izao ny faharatsiana, ny tsindry azo lena, ny fampihorohoroana, ny herisetra, ny tsy rariny sy ny sisa. Voagejan'ny fahabetsahan'ny fanelingelenana maro samihafa isika: fitadiavana, aditsaina, adidy, fialamboly, sns. hany ka tsy manampotoana mifantoka amin'ny fivavahana sy ny finoana sy ny firosoana amin'ny fahamasinana.

Afaka manampy anefa ny Raozery

Afaka manampy antsika tokoa ny Raozery ary fantatsika izany, satria i Masina Maria mihitsy no nilaza izany tamintsika, 100 taona lasa izay tany Fátima, Portogaly, rehefa niseho in-enina tamin’ny zanaka mpiandry ondry telo izy, nanomboka tamin’ny Mey ka hatramin’ny Oktobra 1917. Nilaza toy izao tamin’izy ireo imbetsaka izy: “Manaova Raozery isanandro mba ho an'ny fandriam-pahalemana ho an’izao tontolo izao ary ny fiafaran’ny ady”. Masera Lucia dos Santos, ilay zokiny indrindra tamin'izy telo dahy tao Fatima, dia nanantitrantitra ny hafatr’i Masina Maria ny hanaovana ny Raozery isanandro nandritra ny androm-piainany.

Untitled design (6)

Maro ireo fahagagana voarakitra nitranga tamin'ny fivavahana ny Raozery toy ny fandresena azon'ny Katolika tamin'ny ady tao Lepanto tamin'ny 1571 raha nanafika ny silamo avy ao Torkia. Noentanin'i Papa Pio V ny mpino mba hanao ny Raozery ary tena nahomby tokoa izany na dia kely tokoa aza ny tafika Katolika nanoloana ireo mpanafika.

Nisy koa ny tantaran'ireo pretra efatra jesoita izay  sady tsy maty no tsy nanana takaitra tamin'ny fipoahan'ny bomba nokleary tao Hiroshima, Japana tamin'ny 6 aogositra 1945. Na teo akaikin'ny faritra nisy ny fipoahana mihitsy aza izy ireo dia tsy naninona. Rehefa nanontanina izy ireo dia nilaza toy izao: "Niaina ny hafatr'i Fatima izahay ary nanao ny Raozery isanandro". 

Ny Raozery ihany koa dia manampy antsika hanontana sy hifikitra bebe kokoa amin'i Kristy satria ny mistery sy ny vavaky ny Raozery dia mampifantoka sy mampianatra antsika hiaina ny Evanjely. 

Noho izany dia manampy antsika miroso amin'ny fahamasinana ny Raozery. Mila manao azy amin'ny fo sy fanolorantena tanteraka anefa isika. Ny misterin'ny Raozery dia nalaina avy amin'ny fiainan'i Kristy sy i Masina Maria koa rehefa manao ny toko sapile isika dia tokony manao fandinahana masina na "meditation" miainga avy amin'izany ka mba hahafahantsika maka tahaka ny herim-panahin'izy ireo.

Somary lava ny vavaka fa rehefa manomboka sy mihazatra ianao dia vita foana ilay izy. Raha tsy manana fotoana ianao dia azonao atao mihitsy ny manomboka azy ohatra ny maraina vao mifoho, dia afaka manao ny toko izay vitanao ianao, dia afaka manohy indray ianao eny anelanelan'ny andro eny. Tsara ihany koa raha afaka manao izany miaraka ny mpianakavy isanandro. Raiso ho fanoloran-tena ny fanaovana ny Raozery fa ho hitanao fa hanampy anao amin'ny fahamasinana sy ny famahana ny olana rehetra misy eo amin'ny fiainanao.

Mijoro vavolombelona amin'izany tokoa aho manoratra eto satria nanomboka tamin'ny taona 2008 tany aho no nahalala voalohany ny momba ny Raozery ary dia nanomboka nanao izany aho rehefa eny ambony fitanterana nandeha niasa. Nahita izany moa ny vadiko dia nanomboka nanao koa izy ary avy dia lasa niaraka nanao izany izahay mianakavy kely isan-kalina alohan'ny matory. Mihezaka manao isanandro izahay fa rehefa tsy tafaraka dia mihezaka samy manao ny azy. Hita taratra tamin'ny fiainanay tokoa fa nanampy be tamin'ny hezaka ny hanantona sy hifikitra bebe kokoa amin'i Kristy ny fanaovana ny Raozery.

Ny Raozery dia fitaovam-piadiana entina mandresy ny adin'ny fiainana amin'izao fotoana izao.
- Padre Pio

Marobe koa ireo fahasoavana izay azon'ny tokatranonay fa tsongaiko manokana ny fiarovana azo avy amin'ny asan'ny ratsy satria tena matetika rehefa misy zavatra ratsy mitranga dia mipoitra ho azy tampoka eny foana ilay izy ary tena manampy izany amin'ny fitondrana ny fiainana sy fahalalana ny zavatra tokoa ialana sy hahitsy. 

Betsaka ireo fanelingelena ivelany fa maro koa ny fanelingelenana anatiny izay manakana antsika tsy hifantoka amin'ny fiainam-panahintsika. Ny finiavantsika manao ny fandinihana masina amin'ny fanoloran-tena amin'ny vavaky ny Raozery dia afaka manampy antsika hifantoka sy handrava ny fanelingelenana ivelany. Amin’izay fotoana izay ihany koa, amin’ny fanaovana ny vavaka tsotra miverimberina, amim-pahatokiana ary amim-panetren-tena, dia afaka mandrava ny fanelingelenana anatiny isika. Mila manao fanazaran-tena ianao manao azy fa izany indrindra no mahatanteraka azy eo anatrehan'Andriamanitra miaraka amin'ny fanampian'ilay Renintsika.

Ireto ny fampanantenana 15 nomen'i Masina Maria ho an'izay manao ny Raozery isanandro ampitiavana sy amim-pazotoana:


  1.  Izay mavitrika amin’ny fanoloran-tena amin'ny fanaovana ny Raozeriko dia hahazo ny fahasoavana izay ilainy amin’ny fahamasinana. 
  2.  Mampanantena fiarovana manokana sy fahasoavana lehibe ho an’izay manao ny Raozery aho. 
  3.  Ny Raozery dia fiarovana mahery vaika amin’ny afo-be ka mandrava ny fahazarandratsy, mampihena ny fahotana sy ny fampianarana diso. 
  4.  Izy koa dia mampitombo ny fitondrantena tsara, mampahazo ny famindrampon’ Andriamanitra mitafotafo, manala ny olona amin’ny fitiavana ny zavatr’izao tontolo izao ka mahatonga azy himbanjina ny fiainana mandrakizay. 
  5.  Tsy ho very izay mametraka ny fitokisany amin’ny Raozery. 
  6.  Izay mivavaka tsara amin’ny fo ny Raozeriko dia tsy ho reraky ny zava-dratsy mpitranga. Tsy ho voan’ny hatezeran’Andrimanitra izy ary tsy ho very amin’ny fahafatesana tampoka ihany koa. Ny mpanota hibebaka, moa ny olo-marina hoarovana hijanona ho olo-marina ao anatain’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay. 
  7.  Izay mavitrika amin’ny fivavahana ny Raozeriko dia tsy ho faty tsy handray ny Sakramenta. 
  8.  Izay maharitra amin’ny fanaovana ny Raozeriko dia hanana ny fahazavan’Andriamanitra mandritra ny fiainany ety an-tany sy amin’ny ora hahafatesany, sy ny fahasoavana feno; ary hizara ny fanomezana natokana ho an’ireo olomasina. 
  9.  Hoavotako avy hatrany ao amin’ny afo-fandiovana ny fanahin’izay mavitrika amin’ny fivavahana ny Raozeriko. 
  10.  Ireo zanako mavitrika amin’ny Raozeriko dia hiaina amim-boninahitra ambony any an-danitra. 
  11.  Izay hangatahinao amin’ny Raozeriko dia ho azonao. 
  12.  Hoampiako amin’ny fahasahiranany izay manamparitaka ny Raozery. 
  13.  Azoko avy amin’ny Zanako lahy fa hivavaka ho an’izay mpankafy ny Raozeriko ny Anjely sy ny olomasina rehetra any an-danitra mandritra ny fiainany sy amin’ny ora hahafatesany. 
  14.  Izay mazoto mivavaka ny Raozery dia zanako tiako ary noho izany dia rahalahy sy anabavin’I Jesoa Kristy. 
  15.  Ny fahafanam-po amin’ny Raozeriko dia famantarana ny efa voasoratr’Andriamanitra.
Vavakin'ny Raozery