Fandalinam-pinoana

Ny Kristianina rehetra dia nomen'Andriamanitra fiantsoana na "vocation" ho amin'ny Fahamasinana avokoa. Samy irin'Andriamanitra avokoa ny hahatonga antsika rehetra ho Olomasina indray andro any rehefa miala eto isika ka hiaraka hiriaria Aminy any an-danitra. Toy ny vatana sy saina dia mila fikarakarana, sakafo ary fanazaran-tena ny Fanahy mba tsy harofy, tsy halemy ary tsy harary. Noho izany dia tsara ny manao fanoloran-tena na "devotion" ka manazatra ny fanahy mba hanao izany isan'andro na araka izay vita. Tsy voatery hahavita be ianao amin'ny voalohany fa toy ny manao fanatanjahantena ihany io, mila zarina tsikelikely. Rehefa manana tanjona mazava tsara isika dia mora ny manao planina ny andro sy fotoana mba hahafahanao mampitombo ny herim-panahinao.

Fandinihan-tena isan'andro
Mba handraisantiska an’i Jesoa Tompontsika ao am-pontsika dia mila manetry ny tenantsika isika mba hahafahany mitoetra bebe kokoa ao anatintsika. Izany dia azontika atao amin’ny alalan’ny fanalana ireo sakatsakana tsy mamela antsika handray tanteraka Azy. Inona ary no zavatra mety manakana antsika tsy hitia tanteraka an’Andriamanitra ka hanarahantsika Azy mba hahazoantsika tanteraka ny fahasoavany? Mba hanampy antsika amin'izy dia misy fanazarana azontsika atao isan'andro ireto:
Tohiny
Copy of Blue Dynamic Fashion Special Sale Banner (2)
Fandinihana ny Konsiansy

Tsara ny manao ny fandiniana ny Konsiansy mialohan'ny handeha hikonfesy sy amin'ny fotoana izay azonao hanaovana izany. Ny fanaovana azy it matetika dia manampy amin'ny fivalozana sy fialana amin'ny fahazaran-dratsy.

Tohiny
Copy of Blue Dynamic Fashion Special Sale Banner (3)
Lectio Divina 

Ny Lectio Divina dia fomba fivavahana sy famakiana ny Soratra Masina izay fanaon'ireo pretra tany amin'ny monasitera taloha ary lasa nataon'ny kristianina tsotra taty aoriana. Ny tanjontsika amin'ny mivavaka moa dia ny mba hanatonantsika bebe kokoa an'Andriamanitra sy hahalantsika ny sitrapony amin'ny fiainantsika koa ny fanaovana ny Lectio Divina dia fomba iray tena tsara hananantsika fifandraisana manoka amin'Andriamanitra. ​

Tohiny
Copy of Blue Dynamic Fashion Special Sale Banner (4)