Fandinihana ny Konsiansy

VAVAKA: Avia, ry Fanahy Masina, hazavao ny saiko mba ho hitako mazava tsara ny fahotako rehetra. Aoka tsy ho voafitaky ny fitiavan-tena aho, fa asehoy ahy ny tena toetry ny fieritreretako. Entano amin'ny alahelo marina ny sitrapoko; ampio aho hanao fieken-keloka tsara. Ry Renin'Andriamanitra, mifonà ho ahy mba hahazoako ny famelana ny fahotako.

I. Izaho no Jehovah Andriamanitrao: tsy hanana ianao andriamani-kafa eo anatrehako

• Moa ve aho nandà ny fisian’Andriamanitra?

• Manana olona na zavatra hafa ankoatra an’Andriamanitra ve aho mitondra ny safidiko?

• Moa ve aho nisalasala na nandà ny finoako?

• Efa nandray kominio ve aho tany amin’ny fiangonana hafa?

• Efa nanaraka finoanoam-poana na asan’ny maizina ve aho?

• Efa nanao fanompoantsampy, sikidy na fijerena karatra ve aho? ​ Izy ity moa dia afaka ampisaintsika rehefa mamaky ny Soratra Masina ka azontsika atao tsara izany rehefa mamaky ny vakinteny isanandro na maka andinin'ny Soratra Masina izay tiantsika ho vakiana. Afaka atao tsara miaraka amin'ny olona na samirery izy ity.

II. Aza manonom-poana ny anaran’Andriamanitra

• Efa nampiasa ny anaran'Andriamanitra tamin'ny fanozonana na fitenenan-dratsy ve aho?

• Moa ve aho tsy nitana ny fampanantenana nataoko tamin'Andriamanitra?

• Efa niresaka momba ny Fiangonana, na ny Olomasina, na ny zava-masina tsy tamim-panajana, na tamin’ny fankahalana sy fanaratsiana ve aho? • Efa nijery fahitalavitra na sarimihetsika, na nihaino mozika izay tsy manaja an'Andriamanitra, ny Fiangonana, ny olo-masina, na zava-masina ve aho? • Moa ve aho tsy nanaja ny fitondrantenako tao ampiangonana?

III. Mankamasina ny Andro Alahady

• Moa ve aho nanokana fotoana isan'andro hivavaka manokana amin’Andriamanitra?

• Tsy namonjy Lamesa ve aho ny alahady na ny andro fety voadidy hohamasinina?

• Efa zatra tara sy/na niala aloha tsy misy antony marim-pototra amin’ny Lamesa ve aho?

• Efa nandray ny Kominio ve aho raha mbola tao anatin'ny toe-panahy nisy fahotana mahafaty?

• Nifady hanina adiny iray talohan'ny fandraisana Kômonio ve aho?

• Niantsena sy nanao raharaham-barotra tsy ilaina ve aho ny Alahady sy ny andro fety voadidy hamasinina?

• Moa ve aho manao asa fivalozana isaky ny zoma, raha tsy mifady hena, avy eo misy endrika fivalozana hafa?

• Raha 14 taona no ho miakatra aho dia nifady hena alarobia lavenona sy zoma amin'ny Karemy?

• Raha eo anelanelan'ny 18 sy 59 taona aho, nifady hanina ve aho Alarobia lavenona sy Zoma Masina?

IV. Hajao ny ray amandreninao

• Raha mbola eo ambany fiahian'ny ray aman-dreniko, dia nankatò ny rehetra hanontaniany ve aho raha ara-dalana sy ara-drariny izany?

• Moa ve aho nanao antsirambina ny filan'ny ray aman-dreniko raha efa antitra izy ireo na misy ilan’izy ireo fanampiana?

• Moa ve aho miaina amin'ny fankatoavana amim-panetrentena an'ireo izay mampihatra ara-dalàna ny fahefana amiko?

• Moa ve aho mampianatra ny zanako mivavaka sy mitia an’Andiramanitra ary ny katesizy mandritra azy ireo mbola ao antokatranoko?

• Efa nandika ny lalàna ve aho?

V. Aza mamono olona

• Moa ve aho ninia namono olona?

• Moa ve aho nanala zaza ao am-bohoka, na nampirisika, na nanoro hevitra ny hafa hanala zaza?

• Efa nandinika lalina na nanandrana namono tena ve aho?

• Efa nampijaly olona tsy ara-drariny ve aho?

• Moa ve aho nampijaly olona iray tamin’ny fitenenan-dratsy na ara-pihetseham-po?

• Tsy namela heloka ve aho?

• Efa nitahiry fankahalana, fahatezerana, na lolompo ve aho?

• Mitsara an-tendrony ve aho sa nanavakavaka tsy ara-drariny ny hafa noho ny firazanany, ny lokony, ny fireneny, ny maha-lahy na vavy azy, na ny finoany?

• Moa ve aho, tamin'ny zavatra nataoko, dia nampidi-doza ny aiko na ny fahasalamako, na ny an'ny olon-kafa?

• Efa mamo ve aho na nidoroka zava-mahadomelina?

• Manimba ny fahasalamako ve aho amin'ny fihinanan-kanina tsy araka ny tokony ho izy na tsy fanaovana fanatanjahan-tena?

• Moa ve aho nampirisika ny hafa hanota tamin’ny fanaovana fanalam-baraka?

VI: Aza mijangajanga IX: Aza mitsiriritra ny vadin’olona

• Efa nijangajanga ve aho, nanao firaisana tamin'ny olona manambady, na amin'olona ankoatra ny vadiko?

• Efa nanao fahavetavetana na firaisana amin’ny olona mbola tsy vita mariazy amiko ve aho?

• Efa nanao sodomia ve aho, nanao firaisana lahy samy lahy na vavy samy vavy ve aho?

• Efa nanolana olona ve aho?

• Efa nanao asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany ve aho? (masturbation)

• Efa nampiasa fanabeazana haizana artifisialy ve aho na nanao fandindina maha-momba?

• Moa ve aho ninia nanao eritreritra maloto na nijery sary na oronantsary misy firaisana na fitanjahana?

• Moa ve aho efa nihaino mozika na vazivazy izay manimba fahadiovana?

• Moa ve aho nanapa-kevitra ny hamitaka olona, na namela ny tenako ho voafitaka ho amin’ny fijangajangana?

• Efa ninia nanao akanjo tsy maotina ve aho?

• Moa ve aho miaina amin'ny fanambadiana manankery sy ara-dalàna araka ny lalàn'ny fiangonana katolika?

• Efa nanararaotra olona ve aho hanao firaisana ara-nofo tsy anatin’ny mariazy sy tsy hanana eritreritra ho amin’izany akory?

VII: Aza mangalatra. X: Aza mitsiriritra ny fananan'ny olona

• Moa ve aho naka zavatra izay tsy ahy?

• Nanimba na namoy ny fananan'olon-kafa ve aho ka tsy nanonitra izany?

• Moa ve aho nangalatra tamin'ny hetrako, na tamin'ny raharaham-barotra nataoko?

• Mandoa karama aradalana ny mpiasako ve aho fa tsy manararaotra na mangalatra amin’izy ireo?

• Nanararaotra ny fahasahiranan’ny hafa ve aho na ny tsy fahalalany ka misoloky sy maka tombony amin’izy ireo?

• Moa ve aho nandany vola tamin'ny filokana?

• Mialona ny hafa ve aho noho ny fananany?

• Mandanindany fahatany ny harena voajanahary ve aho?

• Manome ny fotoanako sy ny talentako ary ny volako ve aho ho an’ny mahantra sy ny Fiangonana?

VIII Aza manao vavolombelona mandainga

• Efa namitaka olon-kafa tamin’ny lainga ve aho?

• Nianiana tamin'ny tenako ve aho?

• Meloka ve aho noho ny fifosana?

• Moa ve aho meloka amin'ny fanaratsiana na fitenenan-dratsy, mandainga ny olona hafa mba handravana ny lazany?

• Meloka amin'ny fanalam-baraka olona ve aho na mamorona lainga momba ny hafa mba handravana ny lazany?

• Moa ve aho meloka tamin'ny fitsarana olona tsy ampiheverana, nihevitra ny ratsy indrindra momba ny olona hafa fa tsy mifototra amin'ny porofo mivaingana?

• Moa ve aho tsy nahavita nanonitra ny lainga nolazaiko, na ny fanimbana ny lazan'ny olona iray?

• Namadika ny fitokisan’ny hafa tamin’ny teny ve aho?