fanamasinana ny trano amin'ny epifania
Fitaovana ilaina: Lakre voahasina sy rano voahasina. Afaka mitondra lakre any am-piangonana ianao ny alahady alohan'ny Epifania dia mangataka an'i Mompera hanamasina azy. Raha efa misy azo angalana rano voahasina moa ao ampiangonana dia afaka maka na mitondra rano hohamasinin'i Mompera.
Andro anaovana azy: Ny andro hankalazana ny Epifania na ny 6 Janoary.
Vavaka:
(Ny pretra na lohan'ny fianakaviana no mpitarika)
Mpitarika: Fiadanana ho an’ity trano ity.
Rehetra: Ary amin'izay rehetra monina eto.
Mpitarika: Avy tany atsinanana no nisy Magy nankany Betlehema mba hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo; ary rehefa nosokafany ny vata, dia nanolotra fanomezana sarobidy Azy izy ireo: volamena ho an’ilay Mpanjaka lehibe, emboka manitra ho an’ilay tena Andriamanitra, ary miora ho famantarana ny fandevenana Azy.
REHEFA MANAO NY MAGNIFICAT NY REHETRA, DIA AFAFY NY EFITRA NY RANO VOAHASINA.
Rehetra:
Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Tahaka ny teo aloha sy ny ankehitriny ary mandrakizay. Amena
Rehetra: Avy tany atsinanana no nisy Magy nankany Betlehema mba hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo; ary rehefa nosokafany ny vata, dia nanolotra fanomezana sarobidy Azy izy ireo: volamena ho an’ilay Mpanjaka lehibe, emboka manitra ho an’ilay tena Andriamanitra, ary miora ho famantarana ny fandevenana Azy.
Rehetra: Fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.
Rehetra: Mitondra volamena sy emboka manitra.
Rehetra: Ary aoka ho tonga Aminao ny fitarainako.
Rehetra: Ary ny jentilisa handeha amin’ny fahazavanao, ary ny mpanjaka ho amin’ny famirapiratan’ny fisandratanao, ary ny voninahitry ny Tompo miposaka Aminao.
Mpitarika: Aoka isika hivavaka. Tahio, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, ity tokantrano ity, mba hisy fahasalamana, fahadiovana, herin’ny fandresena, fanetren-tena, hatsaram-panahy, famindram-po, fahatanterahan’ny lalànao, fisaorana an’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ary enga anie izany fitahiana izany hitoetra amin’ity trano ity sy amin’izay rehetra monina eto. Amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika. Amena.
Rehefa vita ny vavaka dia soratana eo ambonin'ny tolanam-baravarana ny Taona sy ny litera voalohan'ny anaran'ireo Majy telolahy, toy izao:
20 + C + M + B + 23
Ny anaran'ireo Majy telo lahy dia Caspard, Melchior sy Balthazar. Ireo litera telo ireo ihany koa dia manafohy ny teny latina hoe "Christus Mansionem Benedicat" izay midika hoe: "Ry Kristy mba hamasino ity trano ity."
Tetezina ny efitra rehetra ary hafafy ny rano voahasina.