Fanomezana ho an'i Jesoa Zazakely
Ity moa dia manampy ny mpianakavy hahatsiahy ny tena anton'ny Krismasy dia i Kristy. Tsara raha manao daholo na ny ray amandreny na ny ankizy dia miara-miasa hitsena amim-pifaliana an'ilay Mesia. Ny ankizy dia tia ny fanehoana mivaingana ny fahamarinana ara-panahy. Takatr’izany koa ny fanehoana mivantana ireo foto-kevitry ny fahatsarana sy ny fahafoizan-tena ary ny dikan’ny hoe mitia. Ary ny ohatra avy amin'ny ray amndreny dia manamafy izany ihany koa.
Fitaovana ilaina
1- Tranom-bilona kely na boaty kely
2- Vilona maina tapatapahana mitovy
Torolalana
Ny tanjon'izy ity dia ny handrisika ny mpianakavy samy hanao asa soa, na asa fahafohizan-tena, na zavatra hanamafisana ny fifandraisantsika amin'i Kristy. Koa isaky ny mahavita izany ianao dia afaka manampy tahom-bilona iray eo amin'ny tranom-bilona. Izany moa no atao dia ny mba hahabetsaka ny vilona mba hahampalemilemy kokoa ny fandrinan'i Jesoa Zazakely rehefa teraka Izy ny andro Noely.
Ohatra ho an'ny Ankizy
- Mampirina ny kilalao tsy mila tenenina, na mametraka zavatra amin’ny toerana tokony misy azy
- Mizara zavatra tena tsy tianao zaraina
- Manampy olona amin'ny asa izay asany fa tsy anao
- Anontanio i Neny raha misy azonao atao hanampiana azy
- Mizara ampahany amin'ny sakafo antoandronao amin'ny olona iray nanadino nitondra ny azy
- Mankatò an’i Neny na i Dada amin’ny fotoana voalohany ilazana anao
- Milalao amin'ny ankizy izy tsy misy mety milalao aminy
- Manao tsara fanahy amin'ny mpiray tampo na namana na dia manahirana ny andronao aza izy ireo
- Miarahaba ny namana na dia somary menatra aza
- Manampy fotoana hivavahana sy mamaky Baiboly
- Mandeha mikonfesy
Ohatra ho an'ny Lehibe
- Manampy fotoana hivavahana sy mamaky Baiboly
- Mandeha mikonfesy
- Tsy mihinana tsindrin-tsakafo eny anelanelam-potoana
- Manao fifadian-kanina matotra kokoa
- Afoy ny zavatra atao matetika nefa mahafinaritra, toy ny media sosialy
- Famitana ny asa izay najanona elaela
- Miantso havana na namana mba hijery hoe manao ahoana izy ireo
- Miezaka mitsiky bebe kokoa
- Manatrika Lamesa andavanandro matetika kokoa
- Manampy ny mahantra
- Manome fotoana hanaovana ezaka mendrika
- Manao famakiana ara-panahy fanampiny