Fanamasinana ny Labozian'ny Fiaviana
Ny Labozian'ny Fiaviana dia voaravaka amin'ny ravina maintso mandava-taona toy ny ravina sapin ka atao boribory. Izany moa dia mariky ny fitohizan'ny fiainana satria ireny ravina ireny dia tsy malazo ary tsy mihitsana rehefa ririnina ny andro fa mbola maintso tsara. Ny labozia efatra dia mariky ny herinandro efatry ny Fiaviana ary manomboka arehitra tsirairay isan'alahady. Ny alahady voalohany dia labozia iray ihany, ny alahady faharoa, labozia roa, dia toy izany hatramin'ny faha-efatra. Ny labozia moa dia miloko voloparasy fa ny herinandro fahatelo ihany no mavokely izay mariky ny fifaliana satria efa manakaiky ny Krismasy.
Tsara ny manomana izany miaraka amin'ny fianakaviana ka miaraka mandio ny trano dia avy eo mametraka ny laobizia sy ny haingony. Afaka atao miaraka amin'ny sapin ihany koa. Afaka atao amin'ny toerana hivorian'ny besinimaro ao an-trano dia afaka arehitra isanandro rehefa miaraka mivavaka.
Toy izao ny fanamasinana atao alohan'ny handrehetana azy voalohany:
Vavaka fanamasinana
Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.
Mpitarika (M): Ny fanampiana antiska dia avy amin'ny anaran'ny Tompo
Valiny (V): Izay nanao ny lanitra sy ny tany.
M: Vakinteny avy ao amin'ny Bokin'Izaia: Ny olona izay mandeha amin'ny haizina dia nahita fahazavana lehibe; ireo izay niaina tao amin'ny tanin'ny hazina lalina - dia nirehitra tamin'izy ireo ny fahazavana. Fa ny kiraron'ireo miaramila sy ny fanamihan'izy ireo miosona rà dia hodorana mba ho angovo hamelomana ny afo. Fa zaza no teraka anio ho antsika, zazalahy Izy nomena antiska; fahefana no mipetraka eo antsorony; ary Izy dia antsoina hoe Tenin'ny Tompo.
V: Isaorana anie Andriamanitra
M: Ry Tompo Andriamanitray ô, midera Anao izahay noho i Jesoa Kristy Zanakao: Izy no Emanoela, fanantenan'ny vahoakanao, Izy no fahendrena izay nampianatra sy nitarika anay, Izy ilay mpamonjy ny firenena rehetra. Andriamanitra Tompo, aoka ny fahasoavanao hirotsaka aminay eo am-pandrehetana ity labozia ity. Enga anie ny fahazavana avy amin'ireto labozia ireto mba ho mariky ny fampanantenana nataon'i Kristy hitondra famonjena ho anay. Enga anie ka ho avy Izy tsy ho ela. Amin'ny alaln'i Kristy Tomponay.
V: Amena.