fanamasinana ny hazo noely

Xmas tree copy

Hazo noely

Ny hazo izay mbola mijanona ho maintso nandritra ny ririnina dia toy ny sariohatry ny aina tsy mety maty, toy ilay aina nomen'i Jesoa Kristy. Io ilay nolazain'i Papa Joany Paoly II hoe: "Fanomezana fara-tampony nomen'Andriamanitra ho an'ny Olombelona."
Azonao atao ny manamasina ny hazo raha vantany vao mametraka azy ianao, na miandry mandra-pahavitan'ny fandravahana azy. Rehefa vonona ny hanao ny fanamasinana ianao dia angony ny olona rehetra manodidina ilay hazo ary manendre olona hitarika ity vavaka manaraka ity. Raha eo ny raim-pianakaviana dia izy no tsara mitarika, raha tsy izany dia izay lehibe afaka mitarika.
Mila rano rano voahasina.
Mpitarika: Andriamanitra be fitiavana, mitsangana eo anatrehanao indray izahay. Mijoro eto izahay vonona hankalaza ny nahaterahan'i Jesoa zanakao.

(Ny tsirairay dia maninjitra ny tanany manao fihetsika mitso-drano. Fafazo ny rano voahasina ny hazo eo ampanaovana ity vavaka manaraka ity.)

Mpitarika: Tahio ity hazo ity, izay mariky ny fiainana sy ny fahamoram-panahy ary ny faharetana eo anivontsika. Inty dia mampatsiahy fa teraka ao anatinay isan'andro Ianao ry Jesoa. Tahio ny fianakavianay sy ny namanay amin'izao vanim-potoam-pifaliana sy fankalazana izao. Mba hombao ny fiarovanao izahay amin'ny dianay, omeo fahatsaram-panahy izay amin'ny fiharahany amin'ny fianakaviana sy ny namana, ary mba ampio izahay hanome sy handray am-pitiavana. Matoky anao izahay, satria fantatray fa tia anay Ianao. Amena.