Hazon'i Jese
Ny hazon’i Jese dia fomba fanomanana ny Krismasy izay nanomboka efa ela. Izany dia nampiasaina mba hanampy amin'ny fitantarana ny tantaran'ny Baiboly nanomboka tamin'ny nahariana an'izao tontolo izao ka hatramin'ny Tantara Krismasy
Ny anarana Jese dia avy amin'ny anaran'ny rain'i Davida Mpanjaka izay voalaza ao amin'ny faminanian'i Izaia:
"1 Misy rantsana hipoitra amin'ny fototr'i Jese, ary misy solofo haniry avy amin'ny fakany. 2 Hitoetra eo aminy ny fanahin'ny Tompo, dia ny fanahin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin'ny fifidianana amam-paherezana, fanahin'ny fahalalana amam-pahatahorana an'ny Tompo. 3 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin'ny masony izy, na hanapaka araka izay ren'ny sofiny. 4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony." Izaia 11:1-4
Ny sampana dia mariky ny fiainana vaovao sy fiandohana vaovao. Taranak’i Davida Mpanjaka i Jesoa ary mino ny Kristianina fa i Jesoa no sampana vaovao. Ny hazon'i Jese voalohany dia karipetra lehibe, fitaratra miloko amin'ny Fiangonana izay nanampy ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra hianatra momba ny Baiboly nanomboka tamin'ny nahariana izao tontolo izao ka hatramin'ny Tantaran'ny Krismasy. Fa ankehitriny ny hazo Jese dia ampiasaina ho karazana kalandrie ny Fiaviana. Azonao atao koa ny mampiasa hazo krismasy mahazatra na sarina hazo. Isan'andro amin'ny Fiaviana dia haingoina amin'ny haingona Hazo Noely izay misy famatarana ny tantara avy ao amin'ny Baiboly.
Fitaovana ilaina
1- Baiboly hamakiana ny tenin'ny Soratra Masina
2- Taratsy sy loko. Afaka manatonta ireo haingona Hazo Noely mila lokoina etsy ambany
3- Hazo Noely na afaka manao sarina Hazo misy sampana
4- Tady kely na lakaoly
Torolalana
Vakiana isan'andro mandritra ny Fiaviana ireto andin'ny Soratra Masina ireto ary afaka manao sary sy mandoko ny haingona Hazo Noely mifanaraka amin'izany ianao dia atao eo amin'ny Hazo Noely na apetaka lakaoly amin'ny sarina Hazo Noely.