Rojon'asa soa
Amin'ny Fiaviana sy ny Karemy dia mifantoka manokana amin'ny fanaovana asa soa sy hatsaram-panahy ho an'ny hafa isika. Mba hanamafisana izany, dia afaka manao ny rojon'asa soa ny mpianakavy. Tsara raha ampirisihina ny ankizy mba hanao izany koa. Ny rojon'asa soa dia rojon-taratasy tsotra izay ka isaky ny manao asa soa ianao dia afaka manampy tapa-taratasy iray ho fanampin'ny rojo.
Fitaovana ilaina
- Taratasy miloko
- Hety
- Lakaoly na "scotch"
- Pencily hazo
- Fitispika
Torolalana
1- Koa manaova tapa-taratasy vitsivitsy, ary isaky ny manao asa soa na asa fiantrana ho an'ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin'ny sehatra hafa toy ny any ampiasana, any am-pianarana, eo an-tanana, sns..., dia afaka maka tapa-taratasy iray dia afaka manampy amin'ny rojonao. Afaka samy manana ny rojony ny tsirairay na afaka atao rojo iray ihany no hiarahan'ny mpianakavy.
2- Afaka mampiasa loko isan-karazany ianao hanehoana karazana fiantrana isan-karazany - ohatra ny volomparasy hanaovana raharaha fanampiny, maitso hanaovana fanomezana, mavokely hanampiana olona ivelan'ny fianakavianao, sns
3- Afaka misafidy koa iana hanao fanoloran-tena mivaingana, eny na dia kely aza, araka izay mifanandrify amin'ny toem-piainana, dia hezahina mba atao izany ary tohizana mba hanomanana ny fo ho amin'ny Krismasy na Paska.