Sapilen'ny Famindram-pon'Andriamanitra

Ity fivavahana ity dia tsy maintsy arahina finoana mandrakariva, miaraka amin’ny fahatokiana sy fanetretena ary fanenenana sy fibebahana noho ny fahotana betsaka vita, mba hitondrany vokatsoa ho an’ny fiainantsika.

1- Vavaka

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amena

Niala aina Ianao ry Jesoa, fa ny Aina dia nigororoana ho an’ny fanahy rehetra, ary ny ranomasin’ny famindram-ponao dia nisokatra ho an’izao tontolo izao. Ry loharanom-piainana, Famindram-pon’Andriamanitra tsy takatry ny saina, rakofy izao tontolo izao, ary mitosà tanteraka aminay Ianao.

Ny Rano sy Ra, izay nigororoana avy amin’ny Fon’i Jesoa, izay tonga ho famindram-po ho antsika, matoky Anao izahay! (Miverina in-telo)

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azan’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amena.

Arahaba ry Maria feno hasoavana, ny Tompo ao aminao, nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao. Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary amin’ny andro hahafatesanay. Amena. 

c404a0_b83050e62dab49539dd9c4708b254e2b copy

Izaho mino an’Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany. Izaho mino an’i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika, noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny, nijaly faha Pontsy Pilaty, nofantsihina tamin’ny hazofijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambany tany; nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo; niakatra any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, avy any Izy mbola ho avy, hitsara ny velona sy ny maty. Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina manerana ny tany, ny fiombonan’ny olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan’ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amena.

2- Amin’ny voan-tsapile mitokana

Ry Ray mandrakizay ô, atolotro Anao ny Vatana, ny Ra, ny Fanahy sy ny maha Andriamanitra an’ilay Zanaka malalanao, dia i Jesoa Kristy Tomponay, ho fanonerana ny fahotanay sy ny an’izao tontolo izao.

3- Amin'ny voan-tsapile folo misesy

Noho ny fijaliana mangirifiry niaretany, mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao. (Miverina in-dimy ny 2 sy 3)

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amena

Hasiviandron'ny Famindram-pon'Andriamanitra