Hasiviandron'ny Famindram-pon'Andriamanitra
Mangataha isika mba hamindra fo amin’ny taranak’olombelona rehetra, indrindra amin’ny mpanota, Andriamanitra.
Hafatry ny Tompo: Ento eto amiko androany ny taranak’olombelona rehetra, indrindra ny mpanota ary atsobohy ao anatin’ny ranomasimben’ny famindram-poko izy.
Ry Jesoa be famindram-po indrindra ô, mpiantra sy mpamela heloka ianao, aza ny fahotanay no jerena fa ny finoana apetrakay amin’ny hatsaram-ponao tsy misy fetra. Ampidiro ao amin’ny fonao feno famindram-po izahay ary aoka tsy hisy olona atosikao tsy ho ao na dia iray aza. Noho ny fitiavana mampiray Anao sy ny Fanahy Masina no angatahanay an’izany.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso feno antra ny zanak’olombelona rehetra fa indrindra ny mpanota mahantra izay tsy manana fanantenana afa-tsy ny Fo feno famindram-pon’ny Zanakao. Noho ny fijalian’i Jesoa Kristy Tompo Andrimanitray sy noho ny famindram-ponao, dia aoka izahay ho afaka hidera mandrakizay ny fahefanao any an-danitra. Amena.
Mivavaha isika ho an’ny pretra sy ny relijiozy, lalana itobahan’ny famindram-pon’Andriamanitra eto amin’ny olombelona.
Hafatry ny Tompo : Ento eto amiko androany ny fanahin’ny pretra sy ny relijiozy. Atsobohy ao anatin’ny famindram-poko izy ireo. Noho izy ireo manana ny hery iaretako ny fijaliana, sahala amin’ny lakan-drano ikorianan’ny famindram-po mankamin’ny olombelona.
Ry Jesoa be famindram-po ô, loharanon’ny soa rehetra Ianao ka ampitomboy ao amin’ny fanahin’ny pretra sy relijiozy lahy sy vavy ny fahasoavanao mba hahamendrika azy ireo hanantotosa ny asan’ny famindram-po, ary aoka izy ireo hitarika ny olona amin’ny teniny sy ny asany ary ny oha-pitondran-tena omeny, hanome voninahitra ny Rain’ny famindram-po izay any an-danitra.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso miantra ireo olompinidin’ny sahanao dia ny pretra sy ny relijiozy ary tafio ny hafenoan’ny tsodranonao izy ireo. Noho ny Fon’ny Zanakao malalanao, dia mba omeo azy ireo ny fahasoavana sy ny hery mba hitarihany ny mpino eo amin’ny lalan’ny famonjena ary hidera ny famindram-ponao tsy misy fetra. Amena.
Mivavaha isika ho an’ny kristianina rehetra.
Hafatry ny Tompo : Ento eto amiko anio ny fanahin’ny tia vavaka rehetra sy vontom-pinoana, atsobohy ao amn’ny ranomasimben’ny famindram-poko izy. Nankahery Ahy teny amin’ny Kalvery ireny fanahy ireny. Izy ireo no toy ny rano miteten’ny fanalana alahelo eo anivon’ny ranomasin’ny fijaliana sy ny fahoriana.
Ry Jesoa be famindram-po indrindra ô, nandrotsaka fahasoavana ho an’ny olona rehetra Ianao avy ao amin’ny rakitrin’ny famindram-ponao, raiso ho ao amin’ny fonao be fiantrana ireo kristianina manara-dia Anao, ary aoka Ianao tsy hanosi-bohon-tanana azy ireo na oviana na oviana. Noho ny fitiavana izay mampirehitra ny Fonao, ho an’ny Ray mandrakizay no angatahanay izany.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso feno antra ny fanahin’ny kristianina lovan’ny Zanakao ary noho ny hasin’ny fijaliany, dia omeo ny tsodranonao izy ireo ary tafio fiarovana mandrakariva mba hitahirizany tsy ho very ny fitiavana sy haren’ny finoana masina ary mba hiarahany amin’ny tafiky ny anjely sy ny olomasina hidera ny famindram-ponao mandrakizay. Amena.
Mivavaha isika ho an’ny tsy mpino sy ireo tsy mahalala an’Andriamanitra izay tsy mbola mahalala ny famindram-pon’Andriamanitra.
Hafatry ny Tompo : Ento eto amiko androany ireo tsy mpino sy ireo tsy mbola mahalala Ahy. Tsaroako izy ireo nandritra ny fijaliana niaretako, ary hanala alahelo Ahy ny hafanampon’izy ireo amin’ny ho avy. Atsobohy ao amin’ny ranomasimben’ny famindram-poko izy ireo.
Ry Jesoa be famindrampo indrindra ô, hazavana ho an’izao tontolo izao Ianao, ka mba raiso ao amin’ny lapan’ny fonao feno famindram-po ny fanahin’ny tsy mpino sy ireo tsy mbola mahalala Anao. Hohazavain’ny tsirim-pahasoavanao anie izy ireo mba hahazoany hiaraka aminao hihira mandrakizay ny hasoan’ny famindram-ponao. Amena.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso antra ny fanahin’ireo tsy mpino sy tsy mbola mahalala Anao. Izy ireo koa dia tena ao anatin’ny fo feno famindram-pon’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay. Ento ao amin’ny fahazavan’ny Vaovao Mahafaly izy ireo mba hahalalany ny halehiben’ny fitiavana Anao. Aoka izy ireo koa hankalaza ny halehiben’ny famindram-ponao mandrakizay. Amena.
Mivavaha isika ho an’ireo voasarika amin’ny finoan-diso.
Hafatry ny Tompo : Ento aty amiko androany ny fanahin’ireo tafasaraka amin’ny fiangonana. Atsobohy ao anatin’ny ranomasimben’ny famindram-poko izy ireo. Tamin’ny fiadiako aina dia nandrotindrotika ny vatako sy ny foko izy ireo , izay tsy iza fa ny Fiangonana. Sitrana anefa ny feriko rahefa niverina amin’ny Fiangonana izy ireo, ary nahatsiaro fanalàna alahelo lehibe amin’ny fijaliako Aho.
Ry Jesoa be famindram-po indrindra ô, hatsaram-po tsy misy fetra Ianao, ka dia tsy mandà ny hanome ny hazavanao amin’izay mangataka izany Aminao. Raiso ao amin’ny lapan’ny fonao fitiavana ny fanahin’izay tafiditra any amin’ny fivavahana diso sy ireo nisaraka tamin’ny Fiangonana. Aoka ny fahazavanao hitarika azy ireo amin’ny firaisana amin’ny Fiangonana. Aza esorina aminy ny fahazavanao hitarika azy ireo amin’ny firaisana amin’ny Fiangonana. Aza esorina aminy ny fiarovana fa aoka izy ireo koa hankalaza ny famindram-ponao.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso antra ny fanahin’ireo nisaraka tamin’ny Fiangonana sy lasa any amin’ny finoana diso ka minia miaina ao amin’ny hadisoana sy manary ny fanomezanao sy ny fahasoavanao. Aza ny hadisoanay no jerena fa ny fitiavana sy ny fijalian’ny Zanakao izay mitalaho Aminao mba ho iray izahay rehetra. Enga anie mba tsy haningana amin’izany fampiraisana izany izy ireo, ary hiara-hankalaza sy hihira mandrakizay ny famindram-ponao miaraka Aminao. Amena.
Mivavaha isika ho an’ny zazakely sy ny fanahy mitovy azy ireo.
Hafatry ny Tompo : Ento aty amiko androany ireo fanahy tsotra sy manetry tena ao am-po sy ny an’ny zazakely. Atsobohy ao amin’ny ranomasimben’ny famindram-poko izy ireo. Manahaka ny foko izy ireo, nankahery Ahy tamin’ny fiadiako aina.
Ry Jesoa be famindram-po indrindra ô, ianao izay nilaza hoe : « Mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho », raiso ao amin’ny lapan’ny fonao feno famindram-po ny fanahy tsotra, madio sy manetry tena, ary ny an’ny zazakely. Mameno hafaliana ny lanitra izy ireo, ary sahala amin’ny fehezam-bonikazo manitra mamerovero eo anatrehan’ny fiketrahan’Andriamanitra ka hankasitrahany tokoa ny hanitry ny hatsaram-panahin’izy ireo. Aoka izy ireo, ry Tompo, tsy hiala ao amin’ny Fonao ka hihira hatrany ny fitiavana sy ny famindram-ponao.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso ireo zazakely sy ny fanahy manetry tena sy feno hatsaram-po izay manjary mitovy amin’ilay Zanakao, ka mameno hafaliana Anao Rain’ny famindram-po, ny hanitry ny hatsaram-panahiny mamerovero eo amin’ny fiketrahanao. Noho ny hafaliana entin’ireo fanahy ireo, ry Tompo, dia mangataka Aminao izahay hitsodrano anay sy ny voary tontolo mba hahafahany hihira sy hankalaza ny famindram-ponao mandrakizay. Amena.
Mivavaha isika ho an’ireo manaja ny famindram-pon’Andriamanitra sy manely izany fanajana izany.
Hafatry ny Tompo : Ento eto Amiko androany ny fanahy manaja sy mankalaza manokana ny famindram-poko. Niara-nijaly tamiko ireo fanahy ireo, ary niditra lalina tao amin’ny foko. Toy ny tsirim-pahazavana avy amin’ny foko izay loharanon’ny famindrampo izy ireo. Hamirapiratry ny hazavana manokana izy ireo ao amin’ny fiainan-ko avy ary tsy hisy ho any amin’ny afobe na iray aza. Harovako amin’ny fomba manokana ny tsirairay amin’izy ireo amin’ny andro hahafatesany.
Ry Jesoa be famindram-po ô, fitiavana ny fonao, ka raiso ao anatin’izany fonao izany ireo manaja sy manaparitaka ny fomba fanajana manokana ny famindram-ponao. Topazo maso feno antra izy ireo, noho ny fanampian’ny herin’Andriamanitra. Matoky hatrany ny famindram-ponao tsy taka-polopolorina izy ireo ary mamaly ny sitrapon’Andriamanitra ka milanja eo an-tsorony ny zanak’olombelona rehetra, izay italahoany amin’ilay Ray any an-danitra ny famelan-keloka sy ny fahasoavana. Ataovy maharitra hatramin’ny farany ao amin’ny zotom-po nanentana azy hatramin’ny voalohany izy ireo, ary aoka Ianao tsy ho toy ny mpitsara ho azy ireo amin’ny andro farany, fa ho Mpamonjy feno famindram-po.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso antra ireo fanahy manaja sy manome voninahitra manokana ny famindram-ponao tsy misy fetra. Toy ny Vaovao Mahafaly velona ao anatin’ny Fon’ny Zanakao feno famindram-po izy ireo, mamafy amin’ny tanany ny asan’ny famindram-ponao, ary mihira ny hiran’ny voninahitra ny fanahiny feno hafaliana. Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, ampisehoy amin’izy ireo ny famindram-ponao araka ny fanantenana sy ny fitokisana napetrany taminao, ka ho tanteraka amin’izy ireo anie ny fampanantenana nataon’ny famindram-ponao. Amena.
Mivavaha isika ho an’ny fanahy ao amin’ny afo fandiovana.
Hafatry ny Tompo : Ento aty amiko androany ireo fanahy ao amin’ny afo fandiovana, ary asitriho ao amin’ny hantsana mangitsokitsoky ny famindram-poko izy ireo mba hohamaivanin’ny rako mandriaka ny fijaliany. Mamiko tokoa ireo fanahy fadiranovana ireo, mandritra ny fijaliany manonitra ny fahotany noho ny fitsaran’Andriamanitra. Eo am-pelatananareo ny fahefana hitondra fanalefahana ny fijalian’izy ireo, raha manovo ao amin’ny tahirin’ny famelan-keloky ny Fiangonana sy manolotra fanatitra fifonana ho Ahy ianareo.
Ry Jesoa be famindram-po izay milaza hoe : « Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo », mitalaho aminao izahay : raiso ao amin’ny fonao feno indrafo no fanahy izay maminao, ao amin’ny afo fandiovana, manefa sazy noho ny fitsaranao. Aoka ny ra sy ny rano miboiboika avy amin’ny fonao hamono ny afom-pidiovana mba hisehoan’ny herin’ny famindram-ponao.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso antra ny fanahy mijaly ao amin’ny afo fandiovana, ary noho ny hasin’ny fijalian’ny Zanakao sy noho ny alahelo ary fahoriana nameno ny fony masina, mamindra fo, ry Tompo, ho an’ireo izay rehetra eo ambanin’ny fitsaranao. Mitalaho aminao izahay tsy hijery ireo fanahy ireo afa-tsy eo ambadiky ny ferin’ny Zanaka malalanao, sy ny hatsaram-ponao ary ny famindram-ponao tsy misy fetra. Amena.
Mivavaha isika ho an’ireo fanahy tsy mafana, tsy mangatsiaka fa matimaty.
Hafatry ny Tompo : Ento aty amiko androany ireo fanahy matimaty, tsy mangatsiaka tsy mafana ary atsobohy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny famindram-poko izy ireo. Mandratra mafy ny foko ireo fanahy ireo. Izy ireo no mahatonga Ahy higoka ny mangidy sy hitaraina hoe : « Alaviro Ahy ry Ray ity kalisy ity, kanefa aoka ny sitraponao no tanteraka fa tsy ny Ahy ». Ny fomba farany azo atao ho famonjena azy ireo, dia ny fidodododoana amin’ny famindram-poko.
Ry Jesoa be famindram-po ô, raiso ao anatin’ny fonao ireo fanahy matimaty, tsy mafana tsy mangatsiaka. Aoka ireo fanahy hanan ‘ny hatsiaka nampigoka anao ny mangidy nandritra ny niadianao aina tao an-tendrombohitra Oliva ireo, hanafana tena eo amin’ny afon’ny fitiavanao. Ampiasao ry Jesoa be fiantrana, ny herin’ny famindram-ponao ary tahio izy ireo ho ao amin’ny afo miredaredan’ny fitiavanao, ka ho feno hafanam-po ao amin’ny asanao.
Ry Ray mandrakizay ô, topazo maso miantra ireo fanahy tsy mafana tsy mangatsiaka fa matimaty, izay tena mamin’i Jesoa Kristy Zanakao. Ry Andriamanitry ny famindrampo sy fanalana alahelo ô, mitalaho aminao izahay, noho ny hasin’ny fijaliana niaretan’ny Zanakao malalanao sy ny nialany aina mandritra ny ora telo teo ambonin’ny Hazofijaliana, dia mba ataovy mirehi-pitiavana izy ireo ka hankalaza sy hidera mandrakizay ny famindram-ponao. Amena.