Niantso tovovavy iray ho apostolin’ny Famindram-pon’Andriamanitra i Kristy, dia i masera Faustine Kowaksa, avy tao Polona. Tsy tian’ny Tompo, hoy i masera Faustine tamin’ny lahatsoratra navelany, ny hanasazy ny taranak’olombelona. Iriny ny hanasitrana azy ao amin’ny Fony feno famindram-po. Nanomboka tamin’ny taona 1931 dia niseho matetika tamin’ity masera ity i Jesoa. Rehefa avy nampianatra azy ny famindram-pon’Andriamanitra izy, dia nomeny didy hanaparitaka izany eran-tany. Tamin’ny 22 febroary 1931, tao Plock (Polona) no nisehoan’i Jesoa voalohany tamin’i masera Faustine ka nangatahany hanao sary mitovy izay hitany ary ho asiana ny soratra hoe : « Ry Jesoa ô, matoky Anao aho ». Ny tsirim-pahazavana fotsy dia manambara ny rano izay manamarina ny fanahy ary ny mena dia manambara ny ra izay manome ny fiainana ho an’ny fanahy. Antsoin’ny Mpamonjy hitodika amin’ny famindrampony ny zanak’olombelona alohan’ny hahatongavan’ny fitsarany.
Ireto misy santionany vitsivitsy tamin'ny hafatra napetrak'i Jesoa Kristy
Tsy misy fahotana farak'izay ratsy ka tsy ho voafafan'ny Famindram-pon'Andriaminitra fa dia mila matoky Azy isika fa afaka hanala ny geja sy ny famatoran'ny fahotantsika Izy koa aza misalasala manantona Azy. Matetika mantsy raha sendra ka latsaka anatin'ny ota lalina ny olona iray dia mety ho alaim-panahy hoe efa tsy avotra intsony aho e, ka inona intsony moa ny amiko. Na koa lasa manafoana ny feon'ny fieritreretana, hany ka tsy mahatsapa intsony ny haratsian'ny ota izay ataontsika. Tsy inona ireo fa lainga izay fahanan'ny devoly antsika daholo ary tetik'adiny mba tsy handraisantsika ny fahasoavana ka hiala amin'ny ratsy.
Irian'Andriamanitra tokoa ny hahavonjy antsika rehetra kanefa tsy afaka ny hanery antsika Izy. Koa na dia misy faniriana kely izay bitika aza ao anatintsika ao dia afaka miasa ao amintsika ny famindram-pony ka afaka hanafaka antsika sy hiainantsika ao anatin'ny fahasoavany.
Mazotoa manao ny konfesy. Ny fiangonana Katolika dia mitaky ny mpino katolika mba hanao ny konfesy indray isan-taona farafaha-keliny. Tsara anefa ny manao izany isam-bolana na izay matetika azonao atao. Ny sakrametan'ny konfesy moa dia manala ny ota ao aminao fa tsara koa raha mihezaka mandray ny Kominio matetika amin'ny alalan'ny famonjena Lamesa isan'alahady sy amin'ny andavanandro koa raha afaka. Ny Kominio dia manasitrana sy manala ireo vokatry ota izay manampy ihany koa mba tsy hilatsahanao ao anatin'ny fahotana miverimberina.
Mila ny Famindram-pon'Andriamanitra daholo ny rehetra fa indrindra amin'ny oran'ny fahafatesana sy ho an'ireo izay tafasaraka amin'Andriamanitra. Koa mazotoa manao ny Sapilen'ny Famindram-pon'Andriamanitra ho azy ireo.
Nampianatra antsika i Jesoa mba tsy hijanona amin'ny fahalalana sy fandraisana ny Famindram-pon’Andriamanitra fotsiny, fa indrindra mba hamindra fo amin’ny hafa ihany koa, araka ny teniny hoe : «Sambatra izay mamindra fo fa hamindrana fo izy ». (Mt 5,7)
Ora fahatelo
I Jesoa dia manasa antsika mba hankalaza isan’andro ny fotoana nialany aina teo ambony hazofijaliana tamin’ny 3 ora tolakandro. Nolazainy tamin’i masera Faustine fa tamin’io ora io no nomena fahasoavana izao tontolo izao – ny famindrampo no nandresy ny fitsarana marina.
« Isaky ny mipaika ny amin’ny 3 ora, dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao, sady mitsaoha azy no manomeza voninahitra azy ; miantsoa ny heriny lehibe ho an’izao tontolo izao ary indrindra ho an’ireo mpanota mahantra satria amin’io fotoana io ny fanavotana dia misokatra ho an’ny fanahy rehetra. » (P.J. 1572)
Alahadin’ny famindrampon’Andriamanitra sy ny hasiviandro
Tamin’ny nanandratana an’i masera Fausitne ho olomasina, ny 30 aprily 2000, no nanambaran’i Papa Joany Paoly II fa manomboka izao ny Alahady faharoan’ny Paka dia ho atao hoe : Alahadin’ny Famindrampon’Andriamanitra.
Tamin’ny Zoma Masina 1937 no nandidian’i Jesoa an’i masera Faustine hanombohana ny hasiviandron’ny Famindrampon’ Andriamanitra. Hoy i Jesoa taminy «Iriko ny hitondranao ny fanahy rehetra ao amin’ny loharanon’ny famindrampoko mandritra io hasiviana io, hanovozany ao ny hery, ny fihavaozana sy ny fahasoavana rehetra ilainy eo amin’ny adim-piainana, indrindra eo amin’ny fotoana hahafatesany».
