Hatr’aiza tokoa ny Famindram-pon’Andriamanitra?
“Ny foko dia feno famindram-po lehibe ho an’ny fanahy rehetra, indrindra fa ho an’ny mpanota mahantra. Raha mba azon’izy ireo tokoa mantsy fa Izaho no Ray tsara indrindra ho azy ireo, ary ho azy ireo indrindra no nanolorako ny rà sy ny rano nikoriana avy tao amin’ny foko toy ny loharano tondraky ny famindram-po.” —Diary 367

Niantso tovovavy iray ho apostolin’ny Famindram-pon’Andriamanitra i Kristy, dia i masera Faustine Kowaksa, avy tao Polona. Tsy tian’ny Tompo, hoy i masera Faustine tamin’ny lahatsoratra navelany, ny hanasazy ny taranak’olombelona. Iriny ny hanasitrana azy ao amin’ny Fony feno famindram-po. Nanomboka tamin’ny taona 1931 dia niseho matetika tamin’ity masera ity i Jesoa. Rehefa avy nampianatra azy ny famindram-pon’Andriamanitra izy, dia nomeny didy hanaparitaka izany eran-tany. Tamin’ny 22 febroary 1931, tao Plock (Polona) no nisehoan’i Jesoa voalohany tamin’i masera Faustine ka nangatahany hanao sary mitovy izay hitany ary ho asiana ny soratra hoe : « Ry Jesoa ô, matoky Anao aho ». Ny tsirim-pahazavana fotsy dia manambara ny rano izay manamarina ny fanahy ary ny mena dia manambara ny ra izay manome ny fiainana ho an’ny fanahy. Antsoin’ny Mpamonjy hitodika amin’ny famindrampony ny zanak’olombelona alohan’ny hahatongavan’ny fitsarany.

c404a0_6a6d4a47168849998cffe931a44979ba copy

Ireto misy santionany vitsivitsy tamin'ny hafatra napetrak'i Jesoa Kristy

JesusPierced
Izaho dia fitiavana sy famindram-po. ... Aoka tsy hisy olona hatahotra hanantona Ahy, na dia tahaka ny jaky aza ny fahotany. ... Lehibe noho ny fahotanao sy ny an’izao tontolo izao ny famindram-poko. ... Naleoko ny Foko Masina notsatohana tamin’ny lefona, mba hanokatra malalaka ny loharanon’ny famindram-poko ho anao. Noho izany dia tongava amim-pahatokiana haka fahasoavana avy amin'ity loharano ity. ... Ny fahasoavan’ny famindram-poko dia afaka alaina amin’ny fomba iray ihany, dia ny Fahatokiana. Arakaraky ny hitokian’ny fanahy iray no hahazoany fahasoavana bebe kokoa.
- Jesoa Kristy

Tsy misy fahotana farak'izay ratsy ka tsy ho voafafan'ny Famindram-pon'Andriaminitra fa dia mila matoky Azy isika fa afaka hanala ny geja sy ny famatoran'ny fahotantsika Izy koa aza misalasala manantona Azy. Matetika mantsy raha sendra ka latsaka anatin'ny ota lalina ny olona iray dia mety ho alaim-panahy hoe efa tsy avotra intsony aho e, ka inona intsony moa ny amiko. Na koa lasa manafoana ny feon'ny fieritreretana, hany ka tsy mahatsapa intsony ny haratsian'ny ota izay ataontsika. Tsy inona ireo fa lainga izay fahanan'ny devoly antsika daholo ary tetik'adiny mba tsy handraisantsika ny fahasoavana ka hiala amin'ny ratsy.

“Ny fahasoavana rehetra dia avy amin’ny famindram-po, ary amin'ny ora farany dia ho feno ny famindram-po ho antsika. Aoka tsy hisy hisalasala ny amin’ny fahatsaran’Andriamanitra; na dia maizina toy ny alina aza ny fahotan’ny olona iray, dia mahery noho ny fahoriantsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Zavatra iray ihany no ilaina; dia ny mba hanokafan’ny mpanota ny varavaran’ny fony, na dia misokasoka kely fotsiny aza, mba hidiran'ny tara-pahasoavana feno famindram-po avy amin’Andriamanitra, dia hanao ny ambiny Andriamanitra.
- Jesoa Kristy

Irian'Andriamanitra tokoa ny hahavonjy antsika rehetra kanefa tsy afaka ny hanery antsika Izy. Koa na dia misy faniriana kely izay bitika aza ao anatintsika ao dia afaka miasa ao amintsika ny famindram-pony ka afaka hanafaka antsika sy hiainantsika ao anatin'ny fahasoavany.

Sacrament-of-Reconciliation-2
“Androany ny Tompo niteny tamiko hoe: ‘Anaka, raha mandeha mikonfesy ianao, ka haka amin'ity loharanon’ny famindram-poko ity, dia ny Rà sy ny Rano izay nivoaka avy tao amin’ny foko no mikoriana mandrakariva amin’ny fanahinao ka manandratra azy. Isaky ny mandeha mikonfesy ianao dia miroboha tanteraka ao amin’ny famindram-poko, amin’ny fahatokiana lehibe, mba handrotsahako ny haren’ny fahasoavako amin’ny fanahinao. Rehefa manatona ny konfesy ianao, dia fantaro, fa Izaho mihitsy no miandry anao ao. Ny Pretra no mety eo anoloanao, fa ny tenako mihitsy no miasa ao amin'ny fanahinao. Eto ny fahorian’ny fanahy no mihaona amin’Andriamanitry ny famindram-po. Lazao amin'ny fanahy fa avy amin'io loharanon'ny famindram-po io ihany no maka ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahatokian'ny fanahy. Raha lehibe ny fitokiany, dia tsy misy fetra ny fahalalahan-tanako. Ny riakan'ny fahasoavana dia manondraka fanahy manetry tena. Ny mpiavonavona dia mitoetra ao anatin’ny fahantrana sy ny fahoriana mandrakariva, satria ny fahasoavako miala aminy ho amin’ny fanahy manetry tena.’”
- Jesoa Kristy

Mazotoa manao ny konfesy. Ny fiangonana Katolika dia mitaky ny mpino katolika mba hanao ny konfesy indray isan-taona farafaha-keliny. Tsara anefa ny manao izany isam-bolana na izay matetika azonao atao. Ny sakrametan'ny konfesy moa dia manala ny ota ao aminao fa tsara koa raha mihezaka mandray ny Kominio matetika amin'ny alalan'ny famonjena Lamesa isan'alahady sy amin'ny andavanandro koa raha afaka. Ny Kominio dia manasitrana sy manala ireo vokatry ota izay manampy ihany koa mba tsy hilatsahanao ao anatin'ny fahotana miverimberina.

“Mahatsapa kokoa aho fa mila ny famindram-pon’Andriamanitra ny fanahy tsirairay mandritra ny androm-piainany ary indrindra amin’ny ora ahafatesana. Io Sapilen'ny Famindram-pon'Andriamanitra io dia manalefaka ny fahatezeran’Andriamanitra, araka ny nolazainy tamiko.”
Hoy ny Tompo tamiko: ‘Ny famoizana ny fanahy tsirairay dia miteraka alahelo lehibe ho Ahy. Mampionona Ahy mandrakariva ianao rehefa mivavaka ho an’ny mpanota. Ny vavaka ankasitrahako indrindra dia ny vavaka ho an’ny fiovam-pon’ny mpanota. Aoka ho fantatrao, anaka, fa reko sy valiako mandrakariva izany vavaka izany.’”
Mila ny Famindram-pon'Andriamanitra daholo ny rehetra fa indrindra amin'ny oran'ny fahafatesana sy ho an'ireo izay tafasaraka amin'Andriamanitra. Koa mazotoa manao ny Sapilen'ny Famindram-pon'Andriamanitra ho azy ireo.
Dia reko Izy niteny hoe: ‘Faly aho fa nitondra tena tahaka ny tena zanako vavy ianao. Aoka ho mpamindra fo mandrakariva tahaka ny famindrako fo ianao. Tiavo ny olona rehetra noho ny fitiavana Ahy, eny na dia ny fahavalonareo lehibe indrindra aza, mba ho hita ao am-ponao ny famindram-poko.

Nampianatra antsika i Jesoa mba tsy hijanona amin'ny fahalalana sy fandraisana ny Famindram-pon’Andriamanitra fotsiny, fa indrindra mba hamindra fo amin’ny hafa ihany koa, araka ny teniny hoe : «Sambatra izay mamindra fo fa hamindrana fo izy ». (Mt 5,7)

Ora fahatelo

I Jesoa dia manasa antsika mba hankalaza isan’andro ny fotoana nialany aina teo ambony hazofijaliana tamin’ny 3 ora tolakandro. Nolazainy tamin’i masera Faustine fa tamin’io ora io no nomena fahasoavana izao tontolo izao – ny famindrampo no nandresy ny fitsarana marina.

« Isaky ny mipaika ny amin’ny 3 ora, dia mitafia tanteraka ny famindrampoko ianao, sady mitsaoha azy no manomeza voninahitra azy ; miantsoa ny heriny lehibe ho an’izao tontolo izao ary indrindra ho an’ireo mpanota mahantra satria amin’io fotoana io ny fanavotana dia misokatra ho an’ny fanahy rehetra. » (P.J. 1572)

Alahadin’ny famindrampon’Andriamanitra sy ny hasiviandro

Tamin’ny nanandratana an’i masera Fausitne ho olomasina, ny 30 aprily 2000, no nanambaran’i Papa Joany Paoly II fa manomboka izao ny Alahady faharoan’ny Paka dia ho atao hoe : Alahadin’ny Famindrampon’Andriamanitra.

Tamin’ny Zoma Masina 1937 no nandidian’i Jesoa an’i masera Faustine hanombohana ny hasiviandron’ny Famindrampon’ Andriamanitra. Hoy i Jesoa taminy «Iriko ny hitondranao ny fanahy rehetra ao amin’ny loharanon’ny famindrampoko mandritra io hasiviana io, hanovozany ao ny hery, ny fihavaozana sy ny fahasoavana rehetra ilainy eo amin’ny adim-piainana, indrindra eo amin’ny fotoana hahafatesany».

Sapile ny Famindram-pon'Andriamanitra
Hasianfron'ny Famindram-pon'Andriamanitra